Mofon’aina – TALATA 13 FEBROARY 2018

8 Ary izay tanàna iakaranareo, ka mandray anareo ny olona, dia hano izay zavatra aroso eo anoloanareo.9 Ary sitrano izay marary ao, ka lazao amin’ ny olona hoe: Efa mby akaiky anareo ny fanjakan’ Andriamanitra.10 Fa izay tanàna iakaranareo, ka tsy mandray anareo kosa ny olona, dia mankanesa eo amin’ ny lalambe, ka lazao hoe:11 Ny vovoky ny tanànanareo aza, izay miraikitra amin’ ny tongotray, dia fafànay hiampanga anareo; nefa aoka ho fantatrareo fa efa mby akaiky anareo ny fanjakan’ Andriamanitra.12 Lazaiko aminareo fa ho moramora kokoa ny ho amin’ i Sodoma amin’ izany andro izany noho ny ho amin’ izany tanàna izany.
LIOKA 10 :8-12

RAISO NY FILAZANTSARA

1-Mandray  ny Filazantsara  izay   mandray  ny mpitory 

« Izay tanàna iakaranareo  ka mandray   anareo  ny olona … »(and 8). Manatona  amin’ny isan-tanàna  ny Tenin’ Andriamanitra sy ny Filazantsara  . Tazana  eto  fa ny olona  na ny tanàna  vonona  handray  ny Filazantsara  sy ny Tenin’ Andriamanitra dia mandray tsara izay iraka  mpitondra ny Tenin’ Andriamanitra  aloha. Tsy  zava-baovao  ity fahatongavan’ny teny  na ny Filazantsara  any amin’ny toeram-ponenan’ny olona ity. Tandindon’ny nahatongavan’i Jesoa  ho olona  tety  an-tany  io, mba hiara- monina  amintsika . Ny teny  dia tonga  nofo  ka niara-nonina tamintsika. Ka izay  mandray  ny  mpitory  dia mandray  an’i Jesoa , ary izay  mandray  an’i Jesoa  dia mandray an’ Andriamanitra  izay naniraka  an’i Jeso (vakio  Mat 10 :40)

2-Manakaiky ny fanjakan’ Andriamanitra  ny mandray Azy

Rehefa  tonga  ny  mpitory  ka raisin’ny  olona  dia misy  fanasitranana , izay  mariky  ny fanjakan’ Andriamanitra . Efa eo  ambaravaran’ny fanjakan’ Andriamanitra izay  mandray  ny teny  sy ny Filazantsara. Rehefa  eo am-baravarana isika, dia miandry ny feo  mampandroso  sisa dia tafiditra « midira amin’ny fifalian’ny Tomponao ». Ny  fiampangana  sy ny fanamelohana ambara eto  ho an’izay tsy  mandray  dia  tsy fampitahorana  , fa fitaomana  antsika  tsy hizotra  mankamin’izany . Koa raiso  ny Filazantsara   ary raiso  ny mpitory  Filazantsara dia handray  an’i Jesoa   ianao.

Fanontaniana:

Misy olona minia mifidy zavatra ratsy ve?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !