MOFON’AINA TALATA 16 JONA 2020

12 Ary mangataka aminareo izahay, ry rahalahy, mba hekenareo izay mikely aina eo aminareo sy mitondra anareo amin’ny Tompo ary mananatra anareo, 13 ary mba hohajainareo indrindra amin’ny fitiavana izy noho ny asany. Mihavàna tsara. 14 Ary mananatra anareo izahay, ry rahalahy; anaro izay tsy mitoetra tsara; omeo toky ny malemy saina; ampaherezo ny reraka; mandefera amin’ny olona rehetra. 15 Tandremo mba tsy hisy hamaly ratsy olona; fa miezaha mandrakariva hitady izay tsara, na amin’ny namanareo na amin’ny olona rehetra. 16 Mifalia mandrakariva. 17 Mivavaha, ka aza mitsahatra. 18 Misaora amin’ny zavatra rehetra; fa izany no sitrapon’Andriamanitra ao amin’ny Kristy Jesosy ho anareo.
1 TESALONIANA 5 : 12-18

NY FANIRIAN’NY APOSTOLY PAOLY

Anisan’ny teny fanaon’i Paoly matetika ao amin’ny epistily nosoratany ny hoe: « mangataka aminareo izahay, ry rahalahy ». Fehezanteny fampiasany io ho enti-milaza ny faniriany ho an’ny kristianina izay nanoratany. Eto amin’izao mofonaina izao dia zavatra telo no faniriany ho an’ny kristianina tao Tesalonia

  1. Horaisin’ny kristianina tsara ny irak’Andriamanitra (and 12,13)

« mba hekenareo izay mikely aina eo aminareo sy mitondra anareo amin’ny Tompo ary mananatra anareo, 13 ary mba hohajainareo indrindra amin’ny fitiavana izy noho ny asany »

Hafatra miantefa amin’izay irak’Andriamanitra sy amin’izay itondrana ny hafatr’Andriamanitra na ny kristianina izao ambaran’i Paoly eto amin’izao mofonaina izao:

– Ho an’ny kristianina: hanaiky sy hanaja ireo izay irahin’Andriamanitra hitondra fiangonana, izay manompo azy eo amin’ny fiangonana, ho an’izay mitondra ny hafany ho an’ny kristianina. Ekeo sy hajao hoy Paoly noho izy ireo mikely aina sy miasa ho an’ny fiangonana sy ho an’ny kristianina. Noho io asa tanterahiny amin’ny fikelezana aina io no antony hanekena sy hanajana azy. Tsarovy mandrakariva fa mitondra fahasoavana sy fitahiana io fikelezan’aina tanterahin’ny mpanompon’Andriamanitra io. Izay no hanekena sy hanajana azy.

– Ho an’izay irahin’Andriamanitra: rehefa mikely aina isika, rehefa miasa isika dia tonga ho azy ny fanekena sy fanajana antsika. Aza mba miteny hoe ekeo sy hajao aho, miasa fotsiny dia ho tonga ho azy amintsika izany, tsy zavatra takiana ny fanekena sy ny fanajan’ny kristianina, zavatra azo noho ny fikelezana aina ho an’ny Tompo izany. Be dia be no tsy miasa, be dia be no tsy hita mikely aina nefa te hajaina sy hekena. Fa zavatra fahita koa ny hoe be dia be ny miasa sy mikely aina kanefa tsy ekena sy tsy hajaina.

  1. Hifananatra tsara ny kristianina (and 14,15)

« Ary mananatra anareo izahay, ry rahalahy; anaro izay tsy mitoetra tsara; omeo toky ny malemy saina; ampaherezo ny reraka; mandefera amin’ny olona rehetra. 15 Tandremo mba tsy hisy hamaly ratsy olona; fa miezaha mandrakariva hitady izay tsara, na amin’ny namanareo na amin’ny olona rehetra »

Zavatra telo mazava tsara no ambaran’i Paoly fa zavatra tokony hifanaovan’ny kristianina eto amin’ireo andininy ireo: mananatra izay tsy mitoetra tsara, izany hoe izay tsy mbola mahajoro tsara amin’ny finoana, izay mbola tsy mafana tsara amin’ny fanompona – mampahery ny reraka, noho ny asa fanompoana, noho ny zava-manjo eo am-panatanterahana ny asa fanompoana dia mety misy kivy, mety misy reraka. Koa adidin’izay matanjaka ny mampahery azy ireny – mitady izay tsara, mikatsaka mandrakariva izay sitrak’Andriamanitra, mitady mandrakariva izay mifanaraka amin’ny Sitrapon’Andriamanitra. Adidy sy andraikitra amin’ny maha-kristianina izany rehetra izany.

  1. Hivavaka tsara ny kristianina (and 16-18)

« Mivavaha, ka aza mitsahatra. 18 Misaora amin’ny zavatra rehetra »

Mifandray tsy tapaka amin’Andriamanitra ny hoe mivavaka mandrakariva. Ary io fifandraisana amin’Andriamanitra tsy tapaka io dia ho enti-misaotra sy mankasitraka Azy noho ny amin’ny asany eo amin’ny fiangonan’Andriamanitra. Io fifandraisana tsy tapaka amin’Andriamanitra io mantsy no hahefana araka ny tokony ho izy ny asa fanompoana an’Andriamanitra, io fifandraisana amin’Andriamanitra io koa no manome fifaliana mandrakariva arak’izay voambaran’i Paoly amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Mivavaka ho an’ny irak’Andriamanitra, mivavaka ho an’ny fiainan’ny fiangonan’Andriamanitra, sns…

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.