MOFON’AINA TALATA 18 FEBROARY 2020

12 Misaotra an’i Kristy Jesosy Tompontsika aho, Izay nampahery ahy, fa nataony mahatoky aho ka notendreny ho amin’ny fanompoana, 13 dia izaho, izay mpiteny ratsy fahiny sady mpanenjika sy mpampahory; kanefa nahazo famindrampo aho, satria tamin’ny tsi-fahalalana no nanaovako izany noho ny tsi-finoana. 14 Fa be indrindra ny fahasoavan’ny Tompontsika tamin’ny finoana sy ny fitiavana, izay ao amin’i Kristy Jesosy. 15 Mahatoky ka tokony hekena amin’ny fankasitrahana rehetra izao teny izao: tonga tety ambonin’ny tany Kristy Jesosy hamonjy ny mpanota, ary amin’ireny izaho no lohany. 16 Kanefa izao no namindrana fo tamiko, dia ny mba hasehon’i Jesosy Kristy eo amiko, izay lohany, ny fahari-po rehetra ho fianarana ho an’izay hino Azy hahazoana fiainana mandrakizay.
1 TIMOTY 1 : 12-16

IREO ANTONY ISAORANA AN’ANDRIAMANITRA

Iray amin’ny zavatra ambaran’i Paoly mandrakariva rehefa mitory ny filazantsara izy ny fiovana lehibe nataon’i Jesoa teo amin’ny fiainany. Fiovana lehibe izay ambara eto fa nanova azy, izy izay mpanenjika sy mpampahory ary mpiteny ratsy no tonga mpitory ny filazantsara noho ny fahasoavan’ny Tompo. Tsy noho ny heriny, tsy noho ny maha-Paoly azy fa noho ny asan’Andriamanitra madiodio izay namonjy azy tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Eto amin’izao mofonaina izao dia velom-pisaorana an’Andriamanitra izy noho ny

  1. Fampaherezany (and 12)

DIEM « velom-pisaorana an’i Kristy Jesoa Tompontsika aho, fa nomeny hery hahatontosako ny fanompoako »

Ilay hery omen’Andriamanitra eto dia avy amin’ny teny grika hoe « dunamauo » izay nahazoana ny teny hoe « dynamo » izay azo adika ihany koa hoe motera mampandeha sy mampiodina ary manetsika. Misaotra an’Andriamanitra Paoly fa raha amin’ny olombelona azy dia tsy afaka nahatontosa ny asa fanompoana an’Andriamanitra izy raha tsy nahazo ity hery avy amin’Andriamanitra ity. Te hiteny Paoly eto hoe tsy noho ny ezaka manokana ataony, tsy noho ny heriny, tsy noho ny maha-izy azy no nahefany ny asa fanompoana fa noho ny amin’Andriamanitra izay miasa ao aminy. Misaora an’Andriamanitra arak’izany fa Andriamanitra no manome hery manetsika antsika rehetra hahatontosana hatramin’ny farany, araka ny sitrapony ny asany. Tsy misy afaka hirehareha hahavita ny asan’Andriamanitra raha tsy efa notafiany ny hery. Fa meteza ihany koa hangataka mandrakariva ny herin’Andriamanitra hanaovana ny asany.

  1. Andraikitra nomeny (and 12)

DIEM « velom-pisaorana Azy aho fa nataony mahatoky ka notendreny hanompo Azy »

Mazava tsara koa eto amin’izao andininy izao fa miasa ao amin’i Paoly Andriamanitra. Ary io asan’Andriamanitra ao amin’i Paoly io no mahatonga an’i Paoly ho olona mahatoky, olona azo itokiana sy ianteherana izany. Koa satria tonga olona azon’Andriamanitra itokiana dia nomeny andraikitra, nomeny asa fanompoana hitory ny Filazantsara. Mahafinaritra ny mahafantatra fa hay alohan’ny hanomezana andraikitra antsika Andriamanitra dia manamboatra antsika ho mendrika ny andraikitra omeny antsika. Amboarin’Andriamanitra isika mba ho fitaovana mahomby eo am-pelantanany hahatontosa ny anjara fanompoana izay nifidianany antsika. Meteza hotefen’Andriamanitra tsara mba ho mendrika ny andrakitra niantsoany antsika rehetra.

  1. Famindrampony (and 13)

DIEM « na dia nanevateva Azy aza taloha sady nanenjika sy nampahory Azy mafy. Kanefa namindran’Andriamanitra fo aho »

Tsy hahefa ny asa fitoriana ny filazantsara Paoly raha ny marina noho ny lasany. Noho izy izay tena fahavalon’ny Filazantsara. Fa afaka manao ilay asa izy noho ny famindram-pon’Andriamanitra taminy. Io famindram-pon’Andriamanitra io dia tena sarobidy taminy satria ny fahatsapany fa tsy namaly azy araka ny fahotany Andriamanitra no toy ny tosika lehibe nanentana azy hanao araka izay tratry ny ainy ny fitoriana ny filazantsara. Izay tena mahatsiaro fa tsy mamaly azy araka ny fahotany Andriamanitra arak’izao dia mila manao ezaka lehibe toa an’i Paoly, manambara an’Andriamanitra sy ny asany lehibe amin’izay manodidina azy. Ny fahatsapan’ny olona ny famindrampon’Andriamanitra eo amin’ny fiainany no manosika ny olona hiasa ho an’Andriamanitra.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.