MOFON’AINA TALATA 18 SEPTAMBRA 2018

1 Ary rehefa maty Mosesy, mpanompon’ i Jehovah, dia hoy Jehovah tamin’ i Josoa, zanak’ i Nona, mpanompon’ i Mosesy:2 Efa maty Mosesy mpanompoko; koa mitsangàna, mità ity Jordana ity hianao sy ireo olona rehetra ireo ho any amin’ ny tany izay omeko azy, dia ny Zanak’ Isiraely.3 Ny tany rehetra izay hodiavin’ ny faladianareo dia efa nomeko anareo, araka izay voalazako tamin’ i Mosesy.4 Hatramin’ ny efitra sy irỳ Libanona irỳ ary hatramin’ ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata, ny tany rehetra izay an’ ny Hetita, ka hatramin’ ny Ranomasina Lehibe any andrefana no ho taninareo.5 Tsy hisy olona hahajanona eo anoloanao amin’ ny andro rehetra hiainanao; tahaka ny nombako an’ i Mosesy no hombako anao koa; tsy handao anao na hahafoy anao Aho.6 Mahereza sy matanjaha; fa hianao no hampandova ity firenena ity ny tany izay nianianako tamin’ ny razany homena azy.7 Koa mahereza sy matanjaha tsara ianao, hitandremanao hanao araka ny lalàna rehetra, izay nandidian’ i Mosesy mpanompoko anao; aza miala aminy, na ho amin’ ny ankavanana, na ho amin’ ny ankavia, mba hambinina ianao amin’ izay rehetra alehanao.8 Aoka tsy hiala amin’ ny vavanao ity bokin’ ny lalàna ity, fa saintsaino andro aman-alina, hitandremanao hanao araka izay rehetra voasoratra eo; ary amin’ izany dia hahalavorary ny làlanao ianao sady hambinina.9 Tsy efa nandidy anao va Aho? Koa mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin’ izay rehetra alehanao.10 Ary Josoa nandidy ny mpifehy ka nanao hoe:11 Andeha mamaky ny toby, ka mandidia ny olona hoe: Manamboara vatsy ho anareo; fa raha afaka hateloana, dia hita ity Jordana ity ianareo ka hiditra sy handova ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrareo ho lovanareo.12 Ary ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen’ i Manase dia nilazan’ i Josoa hoe:13 Tsarovy ny teny izay nandidian’ i Mosesy, mpanompon’ i Jehovah, anareo hoe: Jehovah Andriamanitrareo manome fitsaharana ho anareo, ary homeny ho anareo izao tany izao.14 Ny vadinareo sy ny zanakareo madinika ary ny biby fiompinareo dia hitoetra eo amin’ ny tany izay nomen’ i Mosesy anareo etỳ an-dafin’ i Jordana; fa hianareo lehilahy mahery rehetra dia samy ho voaomana hiady ka hita eo alohan’ ny rahalahinareo hanampy azy,15 mandra-panomen’ i Jehovah fitsaharana ny rahalahinareo tahaka anareo, ka mba holovany kosa ny tany izay nomen’ i Jehovah Andriamanitrareo azy; dia hiverina ho any amin’ ny taninareo ianareo ka handova azy, dia ilay nomen’ i Mosesy, mpanompon’ i Jehovah, anareo etỳ an-dafy atsinanan’ i Jordana.16 Dia namaly an’ i Josoa izy ireo ka nanao hoe: Izay rehetra andidianao anay dia hataonay; ary izay rehetra anirahanao anay dia halehanay.17 Araka ny nihainoanay an’ i Mosesy tamin’ ny zavatra rehetra no hihainoanay anao koa; homba anao anie Jehovah Andriamanitrao tahaka ny nombany an’ i Mosesy.18 Izay rehetra mandà ny didinao ka tsy mihaino ny teninao amin’ izay rehetra andidianao azy dia hatao maty; koa mahereza sy matanjaha ianao.
JOSOA 1 :1-18

NY AMIN’I JOSOA, MPANOMPON’ANDRIAMANITRA

1-Nomen’ Andriamanitra fahefana sy andraikitra izy

Fahefana sy andraikitra hitarika ny vahoaka Israelita  hita ny onin’i Jordana sy hitondra azy ireo hiditra ny tany Kanana izany.Rehefa tendren ‘Andriamanitra amin’ny toerana iray manko  ny olona iray dia omeny azy ny asa hatao sy ny fahefana hanao izany . Ianao koa , na inona na inona sehatra misy anao , tsarovy izany

2-Nomen’ Andriamanitra teny  fampanantenana izy

Ny teny fampanantenana fototra nomen’ Andriamanitra an’i Josoa dia ny hoe: « Homba anao Aho , tsy handao na hahafoy anao Aho »(and5). Vokany : « mahereza sy mahatanjaha »(mariho ny fiverimberenan’izany eo amin’ny and 6,7,9,18 .Toy izany koa no ampanantenan’ Andriamanitra  anao eo amin’ny andraikitra manokana nanendreny anao

3-Nomen’ Andriamanitra fepetra izy

Toy izao no fepetra fototra :  « Aoka tsy hiala amin’ny vavanao ity bokin’ny lalàna ity , fa saintsaino andro amana alina , hitandremanao hanao araka izay rehetra voasoratra eo, ary amin’izany  dia hahalavorary ny làlanao ianao sady hambinina » (and 8). Mazàna no hadinon’ireo nomena fahefana izany .

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.