MOFON’AINA TALATA 2 AOGOSITRA 2022

18 Ary soraty ho amin’ny anjelin’ny fiangonana any Tyatira: Izao no lazain’ny Zanak’Andriamanitra, Izay manana maso toy ny lelafo, ary ny tongony tahaka ny varahina manganohano:19 Fantatro ny asanao sy ny fitiavanao sy ny finoanao sy ny fanompoanao ary ny faharetanao, ary ny asanao farany dia be noho ny voalohany. 20 Kanefa manan-teny aminao Aho, satria ianao mandefitra amin’ilay vehivavy Jezebela, izay milaza ny tenany ho mpaminanivavy ka mampianatra sady manoloky ny mpanompoko hijangajanga sy hihinana hena naterina tamin’ny sampy. 21 Ary nomeko andro hibebahany izy, nefa tsy mety mibebaka amin’ny fijangajangany izy. 22 Indro, hampandamahiko eo am-pandriana izy, ary izay mijangajanga aminy dia hataoko ao amin’ny fahoriana lehibe, raha tsy hibebaka amin’ny asan-dravehivavy izy. 23 Ary hovonoiko amin’ny fahafatesana ny zanany; ary ny fiangonana rehetra hahalala fa Izaho no mandinika ny voa sy ny fo; ary homeko araka ny asanareo avy ianareo rehetra. 24 Fa aminareo izay sisa any Tyatira, dia izay tsy manana izany fampianarana izany sady tsy mba mahalala ny ataon’ireo hoe « sain-dalin’i Satana », dia izao no lazaiko: tsy hovesarako entana hafa ianareo; 25 kanefa izay anananareo dia tano mafy mandra-pihaviko. 26 Ary izay maharesy ka mitandrina ny asako hatramin’ny farany dia homeko fahefana amin’ny jentilisa; 27 ary hiandry azy amin’ny tehim-by izy ka hanorotoro azy toy ny fanorotoro vilany tany, dia araka izay efa noraisiko tamin’ny Raiko. 28 Ary homeko azy ny kintana fitarika andro. 29 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny fiangonanaAPOKALYPSY 2:18-29

FANTATRY NY TOMPO NY MOMBA ANAO REHETRA

1-Ny asanao

« izao no lazain’ny zanak’Andriamanitra …Fantatro ny asanao sy ny fitiavanao sy ny fanompoanao ary ny faharetanao, ary ny asanao farany dia be noho ny voalohany » (and 18,19)

Miteny amin’ny fiangonana ao Tyatira i Jesoa Kristy eto .Hita taratra eto fa ny Tompo raha mandinika ny olony dia tsy mionona amin’ny fijerena izay mety ho lesoka fotsiny toy ny mahazatra ny olona sasany fa jereny manokana ihany koa ireo asa tsara ataon’ny mpanompony.Miharihary fa tena »tsy foana tsy akory ny fikelezana aina ao aminy (2 Kor 15 :58). Ambarany mazava fa mahita ny fikelezana aina ao amin’ny fanompoana ataon’ireto mpino kristiana ireto ny Tompo . Manome toky ireto izay efa miroso amin’ny lalina ireto ny Tompo, mba hitana mafy tsara izay ananany mandra-piavin’ny Tompo. Aina no fetra.

2-Izay andeferanao

« kanefa manan-teny kely aminao Aho , satria ianao mandefitra amin’ilay vehivavy Jezebela… » .

Misy fotoana izay tena iandrasan’ny Tompo antsika mpanompony mba tena hijoro vavolombelona ka tsy hiray tsikombakomba amin’ireo mpanompo sampy. Ity vehivavy Jezebela voalaza eto ity dia « milaza ny tenany ho mpaminanivavy ka mampianatra sady manoloky mba hihinana hena naterina tamin’ny sampy » (and 20). Mazava ny baiko azontsika : « aza manaiky asiana zioga tsy antonona hikambanana amin’ny tsy mino ». Aoka tsy handefindefitra ba hanaiky izay rehetra mifanohitra amin’ny Filazantsara. Aoka tsy hialokaloka amin’ny resaka fihavanana ka ho matin’ny hena-maso olona. Sahia mivavaka ianao.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.