Mofon’aina – TALATA 20 MARTSA 2018

7 Ary niantso ny roa ambin’ ny folo lahy hankeo aminy Izy ka naniraka azy tsiroaroa sy nanome azy fahefana hamoaka fanahy maloto.8 Ary nandrara azy Izy mba tsy hitondra zavatra ho any amin’ ny halehany, na hanina, na kitapo, na vola ao amin’ ny fehin-kibony, afa-tsy tehina ihany.9 Fa asio kapa ny tongotrareo; ary aza mitondra akanjo roa.10 Ary hoy koa Izy taminy: Izay trano hidiranareo, dia mitoera ao mandra-pialanareo any.11 Ary izay tanàna tsy hampandroso anareo, na tsy hihaino anareo, raha miala ianareo, dia ahintsano ny vovoka ao am-paladianareo ho vavolombelona aminy.12 Dia lasa nandeha izy ireo ka nitory fa tokony hibebaka ny olona.13 Ary demonia maro no navoakany; ary nohosorany diloilo ny marary maro ka nositraniny.
MARKA 6 :7-13

MIANTSO  SY MANIRAKA NY MPIANANY  I JESOA

1-Hitory   ny fibebahana 

Hafatra   ampitondrain’i  Jesoa Kristy   ho entin’ny  mpianany  ny antso   ho amin’ny fibebahana . Ny fibebahana  ambaran’i Jesoa Kristy  eto   dia  ny   famahana  ny olombelona, izay  fatoran’ny  demonia  sy ny fanahy maloto. Ireo   nonmamatotra   ny  olombelona  tsy  ho afa-mamatotra  ny olombelona  tsy   ho afa- manatona  sy   mibebaka   eo anatrehan’i Jesoa Kristy. Tsy  misy   olona  afaka   mamaha   fatorana   ny  tenany   fa   maniraka   ny  mpanompony   i Jesoa  hitondra fahafahana  ho  azy.

2-Maniraka   ny  mpianatra tsy  handeha irery  

Manambara   ny  fomba  fiasa i  Jesoa  mba hahatongavan’ny  mpanota  ho amin’ny  fahefana  iraka. Tsy   mandeha  irery  rehefa  hitory  amin’ny tanàna  sy vohitra  , hamoaka  fanahy  maloto  sy ny demonia . Tsy hanana fanahiana  amin’ny sakafo  sy ny fitafiana  fa hatoky  ny fitantanan’i Jesoa Kristy. Izy   no manome  ny olona hampiantrano  ny irany  (and 10).

3-Manome  fahefana  ny  mpianatra 

Omen’ny  Tompo  fahefana ny irany   mba hahatanteraka  ny asany. Mialoha  ny handehanana  dia omeny  maimaimpoana  izany fahefana  izany   fa tsy angatahina. Fahefan’i  Jesoa Kristy  ny mandrava  ny fahotana   sy ny asan’ny  demonia  ao  amin’ny olona   na ny  mpanota. Izany    koa no mahatonga  ny  iraka n ho  mahatoky   sy  hatoky ny Tompo  manoloana  ny ady atrehany. Mampaitombo  isa  ny  mpino   i Jesoa  sady  hampiantrano  ny irany .

Fanontaniana:

Ahoana  no hitehirizana  ny olona  irahina ho mahatoky  hatrany   amin’ny asan’ny Tompo  ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !