MOFON’AINA TALATA 23 JONA 2020

8 Ary tonga tamin’i Zakaria ny tenin’i Jehovah nanao hoe: 9 Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Manaova fitsarana marina, ary samia mifampiantra sy mifamindra fo amin’ny rahalahiny avy; 10 ary aza mampahory ny mpitondratena na ny kamboty, na ny vahiny, na ny mahantra; ary aza misy mihevitra ao am-ponareo hanisy ratsy ny rahalahinareo ianareo.
ZAKARIA 7 : 8-10

NY FIFADIAN-KANINA SITRAK’ANDRIAMANITRA

Ny fifadian-kanina teo amin’ny Testamenta Taloha dia nisy karazany maromaro. Samy nanana ny antony avokoa izy ireo. Fombam-pivavahana natao izany mba hifandraisana bebe kokoa tamin’Andriamanitra ka hihainoan’Andriamanitra ilay mpifady ary hamalian’Andriamanitra izay hangatahiny. Eto amin’izao mofonaina izao dia fanaon’ny Jiosy ny mifady hanina isan-taona ho fahatsiarovana ny fahoriana noho ny nidiran’ny miaramila babylonianina tao Jerosalema ka nandoran’izy ireo ny Tempoly. Tonga tao amin’ny mpaminany ny olona roa avy any Betela eto ka nanontany raha mbola mety na tsy ny hanaovana fifadian-kanina toy ny fanaony isan-taona noho ny fahatsiarovana io fotoana mangidy teo amin’ny Jiosy io. Rehefa mandinika ny valintenin’Andriamanitra isika, izay hita eo amin’ny and 5 dia hahatsapa fa tsy sitrak’Andriamanitra loatra ilay fifadian-kanina satria tsy natao ho Azy fa natao ho an’ny olona, ary toa lasa endrika ivelany fotsiny ihany. Mazava be aza no valintenin’ny Tompo eo amin’ny and 7 fa ny fifadian-kanina sitrany dia ny fahaizan’ireo olona mihaino ny tenin’Andriamanitra noentin’ireo mpaminany. Manome ny toromarika ihany anefa Andriamanitra eto ny amin’ny fifadian-kanina sitrany. Tsy endrika sy fombafomba ivelany no sitrak’Andriamanitra fa endrika sy fomba aseho amin’ny asa eo amin’ny fiainana an-davan’andro

  1. Fanaovana ny marina (and 9)

DIEM « manaova fitsarana marina ianareo »

Ireto olona mifady hanina arak’izao, izay miezaka manatona an’Andriamanitra, miezaka manakaiky an’Andriamanitra amin’ny fifadian-kanina no iantefan’ny tenin’ny Tompo hoe: « manaova fitsarana marina ». Tsy olona manatona ny Tompo ka miseho ho manaja Azy amin’ny endrika ivelany no ilain’Andriamanitra fa olona manatona Azy amin’ny fahamarinana ka eo amin’ny asany dia tena olon’ny fahamarinana. Olona mandala sy manaja ny fahamarinana, olona sarotiny ary tena miaro ny fahamarinana. Tsy isika mifady hanina matetika ka manao ezaka tsy mihinan-kanina sy tsy misotro rano, miezaka mamaky baiboly no sitrak’Andriamanitra, fa isika maneho amin’ny asantsika ny tena maha-kristianina antsika. Isika mijoro amin’ny fahamarinana amin’ny sehatra misy antsika. Jesoa dia ambaran’ny Filazantsara fa Ilay zanak’Andriamanitra sitrak’Andriamanitra, lojika izany satria tena niezaka ny ho olo-marina mandrakariva Izy.

  1. Fifankatiavana (and 9)

DIEM « samia mifankatia sy mifamindra fo »

Zakaria dia mpaminany naminany taorian’ny fahababoana. Rehefa tafaverina tany Jerosalema ny Jiosy dia tena tratry ny fahasahiranana ara-pôlitika sy ara-tsôsialy. Nisy olona nibodo ho tompon’ny ankamaroan’ny tany, indrindra ireo tany mahavokatra. Be dia be arak’izany ireo tsy nanana tany hovolena mba hivelomana, sady nahantra no sahirana tamin’ny lafiny rehetra. Eo anatrehan’izany fahasahiranana mahazo azy ireo izany no miteny ny Tompo hoe, raha hifady hanina dia aoka aseho amin’ny fifankatiavana sy ny fahaiza-mifamindra fo izany. Asehoy amin’ny endrika pratika amin’ny fitiava-namana ny faniriana lalina te hifandray amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fifadian-kanina. Andriamanitra dia mijer sy mitsinjo ireo izay tena tia namana marina. Tsy ny hakanesantsika any am-piangonana amin’ny fihaingona masina sy amin’ny fomba toa feno fanajana be no takian’ny Tompo amintsika fa ny hahaizantsika maneho fitiavana ireo mpiara-belona amintsika. Ny vanimpotoana iainantsika ankehitriny noho ny Covid-19 dia tena vanimpotoana hanehoana ny maha-kristianina antsika, indrindra eo amin’ny fanehoantsika ny fitiavantsika ny namantsika.

Endrika iray ho enti-maneho ny fitiava-namana ohatra izay voalaza eo amin’ny and 10: « ary aza mampahory ny mpitondratena na ny kamboty, na koa ny vahiny na ny mahantra. Aza mba mihevitra hanisy ratsy ny namana » DIEM. Ampianarin’ny Tompo isika fa tsy endrika ivelambelany fotsiny no sitrany raha hifady fa tena asa mivaingana, asa maneho fitiavana ny namana, mpiara-belona amin’ny tena.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.