Mofon’aina – Alarobia 22 febroary 2017

11 Fa ianao kosa, ry lehilahin’ Andriamanitra, mandosira izany zavatra izany, ka miezaha mitady fahamarinana, toe-panahy araka an’ Andriamanitra, finoana, fitiavana, faharetana, fahalemem-panahy.12 Miadia ny ady tsaran’ ny finoana, hazòny ny fiainana mandrakizay; fa ho amin’ izany no niantsoana anao koa sy nanaovanao ilay fanekena tsara teo imason’ ny vavolombelona maro.13 Izaho mananatra anao eo anatrehan’ Andriamanitra, Izay mamelona ny zavatra rehetra, ary eo anatrehan’ i Kristy Jesoa, Izay nanao ilay fanekena tsara teo anatrehan’ i Pontio Pilato,14 mba hotehirizinao tsy hanan-tsiny amam-pondro hatramin’ ny fisehoan’ i Jesoa Kristy Tompontsika izany didy izany;15 ny Andriana finaritra sady tokana, Mpanjakan’ ny mpanjaka sy Tompon’ ny tompo, no haneho izany amin’ ny fotoany;16 Izy ihany no manana ny tsi-fahafatesana, mitoetra eo amin’ ny mazava tsy azo hatonina, Izay tsy hitan’ olona sady tsy hainy jerena; ho Azy anie ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay. Amena.
1 TIMOTY 6 :11-16

MIADIA NY ADY TSARAN’NY FINOANA

Manana ady isanandro isika kristiana . Miseho amin’ny endrika maro samihafa izany ka tokony ho malina isika. Anisan’izany ny ady amin’ny fampianaran-diso izay antsoiny hoe : « fanahy mamitaka sy fampianaran’ny demonia » (1 Timoty 4.1) sy ny fandriky ny fitiavan-karena tafahoatra (and 3-10). Inona àry no tokony hatao manoloana izany ?

1-Mandosira (and 11)

Ny hoe : « mandositra » dia manalavitra . Halaviro ny fanarahana fampianarana hafa izay tsy manaiky ny teny tsy misy kilema nambaran’i Jesoa Kristy. Manohitra ny fivavahantsika ireny ka mahatonga fieboeboana sy fiadian-kevitra, fialonana, fifandirana, fanevatevana… »(and3-4 DIEM) . Halaviro ny fitiavana harena tafahoatra. Ny fitiavambola no fototry ny ratsy rehetra. Ny olona sasany fatra-pitady izany dia efa tafavily niala tamin’ny finoana (and10). Mahaiza mianina amin’izay ananana.

2-Mitandrema mba tsy hanan-tsiny (and 14)

Izany no filamatra tsy maintsy hanorenan’i Timoty ny asa fanompoany mandra-piavin’ny Tompo. Ady sarotra izany raha amin’ny maha- olombelona fotsiny amin’izao, nefa azo antoka fa raha mandray an’i Jesoa ho ao am-po isika dia hitoetra ho tsy manan-tsiny eo anatrehan’ Andriamanitra amin’ny andro ihaviany indray.

Fanontaniana :

Tsy tokony hanan-karena ve izany ny kristiana ?
Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.Amen !