Mofon’aina – ALAROBIA 29 NOVAMBRA 2017

6 Fa Izaho dia efa nanome anareo ny mahamavovava tao an-tanànanareo rehetra, sy ny tsi-fahampian-kanina tamin’ ny fonenanareo rehetra; Nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah.7 Ary Izaho koa efa nampihantona ny orana tsy ho aminareo, raha mbola telo volana sisa tsy ho fararano, ka tamin’ ny tanàna iray no nampilatsahako orana, ary tamin’ ny tanàna iray kosa tsy mba nampilatsahako azy; Ny saha iray nilatsahan’ ny orana. Ary ny saha iray kosa tsy mba nilatsahany ka maina.8 Dia nivembena ny tanàna roa aman-telo nitady rano tany amin’ ny tanàna iray, kanjo tsy afa-ketaheta izy; Nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah.9 Efa nasiako tamin’ ny vary main’ ny rivotra sy maty fotsy ianareo; Ny habetsahan’ ny tanimbolinareo sy ny tanimboalobokareo sy ny aviavinareo sy ny hazo olivanareo dia nohanin’ ny valala; Nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah.10 Efa naterako areti-mandringana tahaka ny any Egypta ianareo; Novonoiko sabatra ny zatovonareo sady nobaboina koa ny soavalinareo; Ary nampakariko ho eo am-bavoronareo ny hamaimboan’ ny tobinareo; Nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah.11 Efa nisy noravako teo aminareo tahaka ny nandravan’ Andriamanitra an’ i Sodoma sy Gomora, ka efa tahaka ny forohana nosarihana tamin’ ny afo ianareo; Nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah.12 Koa izao no hataoko aminao, ry Isiraely, – satria hanao izany aminao Aho, dia miomàna hihaona amin’ Andriamanitrao, ry Isiraely ô.13 Fa indro Ilay mamorona ny tendrombohitra sy manao ny rivotra ary mampahafantatra ny olombelona izay heviny, – dia Ilay mahatonga ny maraina ho aizina ary mandia ny fitoerana avo amin’ ny tany: Jehovah, Andriamanitry ny maro, no anarany.
AMOSA 4 :6-13

Niala  tamin’ny  Tompo ny vahoaka mafy fo. Indimy  ny teny  hoe: »nefa   tsy niverina  tamiko  ihany ianareo  , hoy i Jehovah  » no hita eto  , na dia efa  niala nenina  tamin’ireo  famaizana  isan-karazany  aza ny  Tompo .

1-Andriamanitra  mahitsy  ny Tompo (and 12)

Na dia  naseho  teo  amin’Israely  avokoa aza  ny karazana famaizana rehetra tamin’ny  tsy fahampian-kanina , tsy fahampian-drano, vary , areti-mandringana, afo mandoro dia mbola tsy  niverina  tamin’i Jehovah ihany i Israely. Ambaran’ny  Tompo mazava  eto, fa misy  valiny  ny tsy  fiverenana  Aminy. Koa  ny hamafin’ny hatoky ny Israely dia tsy maintsy  hovaliana, satria  « satria  hanao  izany  aminao Aho » (and 12) hoy Izy. Mitaona antsika tsy  hanamafy  fo izany, ka hiverina  amin’ Andriamanitra. Handini-tena  amin’ireo  fampitandremana  isan-karazany efa  nataon’ny  Tompo  ary hiverina amin’ Andriamanitra fandrao « mba hanenina ny amin’ny loza izy ».

2-Andriamanitra mahefa   ny  zavatra rehetra  ny  Tompo  (and 13)

Andriamanitra  manambara   ny tenany  no hita  eto, ka  miharihary  ao  amin’ny famoronana sy ny asany  indrindra ny Anarany. Andriamanitry  ny tontolo  no miasa. Izany  no tokony  hatahorantsika   mandrakariva satria Andriamanitra  mahefa  ny zavatra rehetra Izy. Amin’ny maha- Tsitoha Azy dia tsy  misy  azo oharina  na ampitahaina Aminy.

Fanontaniana:

Inona no mahatonga  ny olona  mafy hatoka ka tsy handray fananarana?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !