MOFON’AINA TALATA 28 SEPTAMBRA 2021

2 Indro, izaho Paoly milaza aminareo fa raha mety hoforana ianareo, dia tsy hahasoa anareo na dia kely akory aza Kristy.3 Ary lazaiko marina indray amin’ ny olona manaiky hoforana rehetra fa mpitrosa tsy maintsy mankatò ny lalàna rehetra izy.4 Dia tafasaraka amin’ i Kristy ianareo na iza na iza izay mitady hohamarinina amin’ ny lalàna; efa lavo niala tamin’ ny fahasoavana ianareo.5 Fa izahay amin’ ny Fanahy sy noho ny finoana dia miandry ny fanantenana ny fahamarinana.6 Fa ao amin’ i Kristy Jesoa dia tsy mahasoa na ny famorana na ny tsi-famorana, fa ny finoana izay miasa amin’ ny fitiavana.
GALATIANA 5 : 2-6

LALANA ROA ILANA SAFIDY

1-Lalana ho amin’ny fahandevozana

Nanoratra ity taratasy i Paoly nanoloana ny zava-nisy dia ny fihainoan’ny vahoaka ireo fampianarana sandoka. Fampianarana milofo amin’ny fanafoanana ny famonjena izay vitan’i Jesoa Kristy. Nanasongadina ny famorana izay fomba Jiosy ireo mpampianatra sandoka ireo. Nitaona olona maro sy nilaza tamin’ny Jentilisa ireo fa tsy azo hamarinina tahaka ny Jiosy ny olona raha tsy voafora . Izay no nahatonga an’iPaoly hilaza fa « ...tafasaraka amin’i Kristy ianareo na iza na iza izay mitady hohamarinina amin’ny lalàna ». Manafoana ny hazo fijaliana izay niaretan’i Jesao Kristy izany fiheverana diso izany ka mitarika tanteraka ho amin’ny fahandevozana. Tsy nanana fisalasalana i Paoly raha nanakiana mba hahafahan’ny Jentilisa koa misitraka ny famonjena, ary mba hahafahan’ireo olona misafidy tsara ny làlana tokony izorany.

2-Lalàna ho amin’ny fahafahana

Manoro làlana ho an’ny Galiliana i Paoly, làlana ahazoan’ireo ny fiainam-baovao. »Fa ao amin’i Kristy Jesoa dia tsy mahasoa na ny famorana na ny tsy famorana, fa ny finoana izay miasa amin’ny fitiavana ». Asongadiny mazava tsara fa ny finoana no hanamarinana ny olona fa tsy ny lalàna velively. Velom-panantenana izy ny amin’ny hanamarinana azy noho ny fiasan’ny Fanahy sy finoana ao aminy. Izany no antoky ny fahafahana ao amin’i Kristy. Hamafisina hatrany izany fa « …isika dia tsy ambanin’ny lalàna fa ambanin’ny fahasoavana ». Tsy misy olombelona na dia iray aza tanteraka ety ambany masoandro, fa Kristy kosa dia niaritra ny mafy indrindra ho fanavotana ny fanahin’ny tsirairay.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.