MOFON’AINA TALATA 30 JONA 2020

13 Iza eo aminareo no hendry sy manam-pahalalana? Aoka asehony amin’ny fitondrantena tsara ny asany amin’ny fahalemem-panahin’ny fahendrena. 14 Fa raha misy fialonana mirehitra sy fifampiandaniana ao am-ponareo, aza mirehareha na mandainga manohitra ny marina. 15 Izany fahendrena izany dia tsy ny avy any ambony, fa araka ny ety an-tany ihany, araka ny nofo, araka ny an’ny demonia. 16 Fa izay misy fialonana sy fifampiandaniana dia misy fikorontanana mbamin’izay asa ratsy rehetra. 17 Fa ny fahendrena izay avy any ambony dia madio aloha, ary tia fihavanana, mandefitra, mora alahatra, be famindrampo sy be voka-tsoa, tsy miahanahana na mihatsaravelatsihy. 18 Ary ny vokatry ny fahamarinana dia afafy amin’ny fihavanana ho an’izay mampandroso ny fihavanana.
JAKOBA 3 : 13-18

NY FAHENDREN’ANDRIAMANITRA

Miezaka miresaka amintsika ny fahasamihafan’ny fahendrena avy amin’Andriamanitra (avy any ambony) sy ny fahendrena avy amin’ny demonia (fahendrena ety an-tany) Jakoba eto amin’izao mofonaina izao. Miavaka, tsara lavitra, mahasoa kokoa ny fahendren’Andriamanitra na ny fahendrena avy amin’Andriamanitra araka izao mofonaina izao. Ireto no hafatry ny Tompo

  1. Fahendrena iva karazana ny fahendrena ety an-tany (and 15,16)

« Izany fahendrena izany dia tsy ny avy any ambony, fa araka ny ety an-tany ihany, araka ny nofo, araka ny an’ny demonia. 16 Fa izay misy fialonana sy fifampiandaniana dia misy fikorontanana mbamin’izay asa ratsy rehetra »

Karazam-pahendrena iray ity resahin’i Jakoba eto amin’ny mofonaina ity. Fahendrena izay mitondra ho amin’ny fanoherana ny Tompo, fanoherana ny didin’ny Tompo. Fahendrena izay mitarika ho amin’ny fikotranana ka manimba sy mamotika ny firaisana sy ny fihavanana. Ambaran’i Jakoba mazava tsara fa tsy avy amin’Andriamanitra izy ity. Ary ny mahagaga dia be dia be no manana azy ity. Mitaona antsika Jakoba handini-tena tsara sao mba isan’ny mampiasa sy manana ity fahendren’ny tany ity, fahendrena mampisaraka, fahendrena manimba ny fifandraisana. Fahendrena mahatonga fisarahana sy fitsitokotokoana.

  1. Fahendrena avo karazana ny an’Andriamanitra (and 13,14, 17,18)

« Fa ny fahendrena izay avy any ambony dia madio aloha, ary tia fihavanana, mandefitra, mora alahatra, be famindrampo sy be voka-tsoa, tsy miahanahana na mihatsaravelatsihy. 18 Ary ny vokatry ny fahamarinana dia afafy amin’ny fihavanana ho an’izay mampandroso ny fihavanana »

Fahendrena kristianina, fahendren’i Kristy indray no antsoina hoe fahendrena avy any ambony, fahendren’Andriamanitra. Ity fahendrena avy any ambony ity dia manatsara ny fitondrantena ny mino ka manampy azy amin’ny fijoroana vavolombelona. Fahendrena manamafy ny fiombonana sy ny firaisana ary ny fihavanana. Fahendrena mikendry izay hahatsara ny fifandraisam-piarahamonina. Fahendrena tsy dia be mpanana izy ity. Ity fahendrena mikendry fahatsaram-pifandraisana ity dia omen’Andriamanitra ny olona, ny mino amin’ny alalan’i Jesoa. Fahendrena izay hita sy tsapa teo amin’i Jesoa Kristy fony Izy teto amin’izao tontolo izao.

Ny mampiavaka azy ity dia azo atao tsara ny mangataka azy amin’Andriamanitra. Izany rahateo no voasoratra ao amin’ny Jak 1 : 5,6 hoe : « Ary raha misy hianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an’ny olona rehetra sady tsy mandatsa; ary dia homena azy izany. 6 Nefa aoka hangataka amin’ny finoana izy ka tsy hiahanahana akory ».

Aoka ho feno ny fahendren’Andriamanitra isika, izay omen’Andriamanitra maimaim-poana izany dia ho mora amintsika ny mihavana tsara ao amin’ny Tompo, ho haintsika ny mitandro ny fihavanana sy ny fifandraisana amin’ny hafa.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.