Mofon’aina – ZOMA 02 FEBROARY 2018

27 Ary raha nilaza izany Jesoa, dia nisy vehivavy anankiray teo amin’ ny vahoaka niantso ka nanao taminy hoe: Sambatra ny kibo izay nitondra Anao sy ny nono izay ninonoanao.28 Fa Izy nanao hoe: Eny tokoa, kanefa mainka sambatra aza ny mihaino ny tenin’ Andriamanitra ka mitandrina izany.
LIOKA 11 :27-28

NY TENA FAHASAMBARANA

1-Hasambarana   tsy  araka  izay  iheveran’ny  maro  azy 

Tenin’ilay vehivavy iray nahita ny asa nataon’i Jesoa Kristy  ity. Niloa-bava  izy, ka toy  ny niteny   fa raha  izy  no niteraka  an’i Jesoa  dia ho sambatra   indrindra. Heverina  anefa fa hasambarana  an’olo-tokana  izany, hasambaran’ny reny nahavita nitaiza  sy nanabe ny zanaka, ka nahatonga  azy hanan-daza  eo amin’ny tany ama-monina. Izany no hasambarana heverin’ny ray aman-dreny sasany. Nofinofy anefa  ny azy satria tsy  zanaka naterany tsinona io Jesoa Kristy io.Koa tsy araka izay hevitra  handraisan’ny olona  azy , na izay  zavatra  isitrahana  mahafalifaly ny saina  no atao hoe: hasambarana .

2-Hasambarana   araka  izay ambaran’ny Tompo 

Rehefa ren’i Jesoa Kristy ny hetahetan’ity  vehivavy  ity  dia manome vahaolana  Izy. Ny fomba  ahitana  hasambarana ho an’ny  rehetra, tsy ho an’olo-tokana, dia nomen’i Jesoa Kristy . Ny tena hasambarana  dia ny  mihaino ny Tenin’ Andriamanitra  ka mitandrina izany. Hasambarana  tsy  mandalo  na miserana fotsiny  fa tena maharitra  ary azon’ny  olona rehetra  isitrahana. Koa raha te-ho sambatra  kokoa ianao , aza atao  mandalo  aminao  fotsiny  , na natao  ho fahafinaretan’ny sofina  ny mihaino  sy miaina  amin’ny Tenin’ Andriamanitra . Ao  anatin’izany  ny famakiana  sy Soratra Masina. Ho tsapanao  fa ho   loharanom-pahasambarana  ho anao tokoa  izany .

Fanontaniana:

Moa  manaiky ny lojikam-pahasambarana lazain’i Jesoa Kristy ve ianao ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !