MOFON’AINA ZOMA 05 NOVAMBRA 2021

1 Jehovah no fahazavako sy famonjena ahy; iza no hatahorako? Jehovah no fiarovana mafy ho an’ny aiko; iza no hangovitako?2 Raha manatona ahy hihinana ny nofoko ny ratsy fanahy, izay fahavaloko sy rafilahiko, dia izy ihany no tafintohina ka lavo. 3 Na dia misy antokony mitoby hiady amiko aza, tsy hatahotra ny foko; na dia misy ady mihatra amiko aza, dia hatoky ihany aho. 4 Zavatra iray loha no nangatahiko tamin’i Jehovah, izany no hotadiaviko, dia ny hitoetra ao an-tranon’i Jehovah amin’ny andro rehetra hiainako, mba ho faly mijery ny fahasoavan’i Jehovah sy mandinika ny tempoliny. 5 Fa hanafina ahy ao an-trano fialofany amin’ny andro fahoriana Izy; hampiery ahy amin’ny fierena ao an-dainy Izy; hanandratra ahy ho eny ambony vatolampy Izy. 6 Koa dia hisandratra ambonin’ny fahavaloko manodidina ahy ny lohako, ka hanatitra fanatitra hihobiana ao an-dainy aho; hihira sy hankalaza an’i Jehovah aho.7 Mihainoa, Jehovah ô, fa mitaraina mafy aho; ary mamindrà fo amiko, ka valio aho. 8 Raha hoy Hianao: tadiavonareo ny tavako, dia hoy ny navalin’ny foko: Eny, ny tavanao no tadiaviko, Jehovah ô; 9 Aza manafina ny tavanao amiko, aza mandroaka ny mpanomponao an-katezerana; efa famonjena ahy Hianao; aza manary na mahafoy ahy, ry Andriamanitry ny famonjena ahy. 10 Fa ny raiko aman-dreniko efa nahafoy ahy; fa Jehovah kosa no mandray ahy. 11 Ampianaro ny lalanao aho, Jehovah ô; ary tariho amin’ny lalana marina aho noho ny fahavaloko. 12 Aza manolotra ahy ho amin’ny sitrapon’ny mpampahory ahy; fa vavolombelona mandainga sy izay mifofofofo loza no mitsangana hiampanga ahy. 13 Raha izay re aho no tsy nanantena hahita ny fahasoavan’i Jehovah amin’ny tanin’ny velona.14 Miandrasa an’i Jehovah ianao; matokia, ary aoka hahery ny fonao; eny, miandrasa an’i Jehovah.
SALAMO 27.1-14

TAFATOETRA NY FON’IZAY MIANDRY NY TOMPO

Zavatra telo loha no ambaran’i Davida entiny ilazana ny asan’Andriamanitra taminy :

1-Fahazavana :

Ny fahazavana no zavatra noharin’ Andriamanitra voalohany indrindra araka ny Soratra Masina , dia izany ihany koa no atolony ho antsika entiny hanamarihana ny fandraisany andraikitra voalohany amintsika . Raha ny fahazavan’Andriamanitra no amintsika dia sady mandroaka ny aizim-pahotana sy aizim-pahoriana . Izany no manazava ny làlana rehetra alehantsika. Io hazavana omeny antsika io dia tsy iza fa ny zanany.  « ...Izaho no fahazavan’izao tontolo izao .Izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’aina  » (Jao 8 :12)

2-Famonjena

Izay ambaran’i Davida eto dia ny famonjena amin’ny ady atrehany . Eo amin’ny and 2 dia manambara fa tonga tsy manankery amin’i Davida ny fahavalony .Raha manolotra ny famonjena ho antsika Andriamanitra dia hangovitra sy tsy hahefa na inona na inona ny fahavalontsika . Jesoa dia niteny fa tsy hisy hampaninona antsika akory ireny (Mar 16 :18). « Andriamanitra no aro sy hery ho antsika. Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana Izy » (Sal 46 :1)

3-Fiarovana

Ny miaramila miatrika ady dia manana toerana hahafahany miaro tena .Davida dia milaza hoe : « Jehovah no harambatoko sy batery fiarovana ho ahy ary Mpamonjy ahy. Andriamanitro , vatolampy ialofako sy ampingako ary tandroka famonjena ahy sy fiarovana avo ho ahy  » (Sal 18 :2). Tsara mpiaro izay mialoka ao amin’Andriamanitra , satria Izy no mialoha ka misedra izay fahavalontsika rehetra eto amin’ity fiaina-mandalo ity.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.