MOFON’AINA ZOMA 16 SEPTAMBRA 2022

1 Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak’olona, mitsangàna, fa hiteny aminao Aho. 2 Ary nisy fanahy tonga tao anatiko, raha niteny tamiko Izy, ka nampitsangana ahy, ary reko Izay niteny tamiko.3 Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak’olona, maniraka anao ho amin’ny zanak’Isiraely Aho, eny, ho amin’ireo jentilisa mpiodina, izay efa niodina tamiko; izy sy ny razany dia samy efa nanota tamiko avokoa mandraka androany. 4 Ary ho any amin’ny zanaka mafy handrina sy madi-po no anirahako anao, ary ianao hanao aminy hoe: Izao no lazain’i Jehovah Tompo. 5 Ary na hihaino izy na tsy hihaino (fa taranaka maditra izy), dia ho fantany fa efa nisy mpaminany teo aminy. 6 Ary ianao, ry zanak’olona, aza matahotra azy, ary aza matahotra ny teniny, na dia voakasiky ny amiana sy ny tsilo aza ianao, ary na dia eo amin’ny maingoka aza no ipetrahanao; eny, aza matahotra ny fiteniny, ary aza mivadi-po noho ny tarehiny, fa taranaka maditra izy. 7 Ary holazainao aminy ihany ny amiko, na hihaino izy na tsy hihaino, fa tena naditra izy. 8 Fa ianao kosa, ry zanak’olona, mihainoa izay lazaiko aminao; aza maditra tahaka izany taranaka maditra izany ianao; akafy ny vavanao, ka hano izay afahako anao. 9 Ary hitako fa, indro, nisy tanana nahinjitra tamiko, ary, indro, nisy horonan-taratasy ny aminy. 10 Dia novelariny teo anatrehako izany, ary nisy soratra teo anatiny sy teo ivoany; ary fitomaniana sy fidradradradrana loza no voasoratra teo. Toko faha 3 :1 Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak’olona, hano izay hitanao, eny, hano ity horonan-taratasy ity, dia mandehana, ka mitenena amin’ny taranak’Isiraely. 2 Dia nosokafako ny vavako, ary nafahany ahy izany horonan-taratasy izany. 3 Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak’olona, vokiso ny kibonao, ary fenoy ny horonan-taratasy omeko anao ity ny tsinainao. Dia nihinana aho, ka, mamy tao am-bavako toy ny tantely izy.EZEKIELA 2:1 – 3:3

TANTERAHO NY ASAN’ANDRIAMANITRA.

1.Satria izy no maniraka

Natanjaka ny antson Andriamanitra niantefa tamin’i Ezekiela: « Ry zanak’olona, mitsangana fa hiteny aho » (and 1). Niantso azy Jehovah ary tonga taminy ny Fanahiny. Izy Tompo no naniraka an’i Ezekiela (and 3) mba hanambara ny hafany amin’ny zanak’israely, ka hanao aminy hoe: « Izao no nolazain’i Jehovah Tompo ». Manambara ny tenany ny Tompo amin’ny maha ambony indrindra azy. Fomban’i Jesoa koa ny miantso mpiara-miasa ka maniraka azy hanambara ny hafany, fa hoy izy: « Mandehana ianareo, ka mitoria ny Filazantsara amin’ny olombelona rehetra » (Marka 16 :15). Isika no irak’ Andriamanitra hanambara ny vaovao mahafaly amin’izao fotoana ankehitriny izao.

2 Satria izy no mampahery

Raha maniraka an’i Ezekiela Jehovah dia nampahafantatra azy ny toetran’ny zanak Israely (jentilisa, mpiodina, zanaka mafy handrina, madi-po) ireo no namaritan’i Jehovah azy ireo. Noho izany, nampahery azy in-telo Andriamanitra tamin’ny alalan’ny Teniny hoe: « Aza matahotra ». Ilain’i Ezekiela tokoa izany satria masiaka ny tontolo hanirahina azy, ary hiatrika fanoherana mivaivay izy. Tsy mora ny manantanteraka asa ao anatin’ny fanenjehana, hiaina ao anaty toe-javatra sarotra, hiady irery eo anantrehan’ny zava-manahirana. Ilaina tokoa ny fampaherezana satria Jesoa dia efa nampiomana hoe: « Ho halan’ny olona rehetra hianareo no ny anarako, fa izay maharitra hatramin’ny farany no ho vonjena ». (Mar 13 :13). Ataon’ny Tompo ny fampaherezana mba haharetantsika amin’ny asany. Mahareta havako!

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.