Mofon’aina – Zoma 17 febroary 2017

14 Ary nony tonga ny fotoana, dia nipetraka hihinana Izy mbamin’ ny Apostoly.15 Ary hoy Izy taminy: Naniry koa raha naniry Aho hiara-mihinana ity Paska ity aminareo, dieny mbola tsy mijaly Aho.16 Fa lazaiko aminareo fa tsy mba hihinana izany intsony Aho ambara-pahatanterak’ izany ao amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra.17 Ary nandray kapoaka Izy, dia nisaotra ka nanao hoe: Raiso ity, ka zarao aminareo;18 fa lazaiko aminareo fa hatramin’ izao dia tsy hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony Aho mandra-pahatongan’ ny fanjakan’ Andriamanitra.19 Ary nandray mofo Izy, ary rehefa nisaotra, dia novakiny ka natolony azy sady nataony hoe: Ity no tenako izay omena ho anareo; izao no ataovinareo ho fahatsiarovana Ahy.20 Ary araka izany koa ny kapoaka, rehefa vita ny sakafo, dia hoy Izy: Ity kapoaka ity no fanekena vaovao amin’ ny rako, izay aidina ho anareo.
LIOKA 22 :14-20

NY FANEKENA VAOVAO NAMBARAN’I JESOA HO AN’NY MPIANANY

Nambaran’i Jesoa ny faniriany mafy hiara-hihinana ny Paska iarahan’izy ireo farany mialohan’ny hijaliany. Ny fotoana manaraka iarahana mihinanna izany Aminy dia rehefa tonga indray any amin’ny fanjakan’ Andriamanitra. Ny lesona avy amin’izany dia izao:

1-Jesoa manome:

Raha nanolotra ny mofo i Jesoa dia niteny hoe: « Ity no tenako izay omena anareo » ary raha nanolotra ny divay koa Izy dia nanao hoe: « Ity no Rako izay alatsaka ho anareo » (and 19,20). Manome Izy : Kristy novonoina sy nalatsa-dra ary nafoin’ Andriamanitra no nomena antsika . Koa raha ny tenany sy ny Rany aza nafoiny ho antsika, moa tsy homeny maimaimpoana ho antsika koa va ny zavatra rehetra ? Ny anjarantsika dia ny mandray izany. Izany no maha-Mpandray ny Fanasan’ny Tompo antsika.

2-Isika manao izany ho fahatsiarovana Azy

Hoy ny Tompo : « Izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy ». Ny fankalazana ny Paska rehetra ho avy sy amin’ny fotoana rehetra andraisana ny Fanasan’ny Tompo dia ho fahatsiarovana an’i Jesoa nanolotra ny tenany sy ny Rany. Izany no fanekena vaovao ho antsika.

Fanontaniana:

Tsapanao amin’izay ve ny zava-miafina ao amin’ny Fanasan’ny Tompo ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.
Amen !