Mofon’aina – Zoma 20 janoary 2017

1 Ary nony afaka henemana, Jesoa dia naka an’ i Petera sy Jakoba ary Jaona rahalahiny ka nitondra azy niakatra ho any an-tendrombohitra avo mba hitokana.2 Dia niova tarehy teo anatrehany Izy, ka ny tavany namirapiratra tahaka ny masoandro, ary ny fitafiany tonga fotsy tahaka ny mazava.3 Ary, indreo, niseho tamin’ ny mpianatra Mosesy sy Elia, niresaka tamin’ i Jesoa.4 Dia niteny Petera ka nanao tamin’ i Jesoa hoe: Tompoko, tsara raha mitoetra eto isika; koa raha sitrakao, aoka aho hanao lay telo eto: ny anankiray ho Anao, ny anankiray ho an’ i Mosesy, ary ny anankiray ho an’ i Elia.5 Raha mbola niteny izy, indro, nisy rahona mazava nanarona azy ireo; ary, injao, nisy feo avy tao amin’ ny rahona nanao hoe: Ity no Zanako malalako Izay sitrako; Izy no henoy.6 Ary nony nandre izany ny mpianatra, dia lavo niankohoka sady natahotra indrindra.7 Ary Jesoa nankeo aminy, dia nanendry azy ka nanao hoe; Mitsangàna, fa aza matahotra.8 Ary nony niandrandra izy ireo, dia tsy nahita olona, afa-tsy Jesoa irery ihany.9 Ary rehefa nidina avy tao an-tendrombohitra izy, dia nandrara azy Jesoa ka nanao hoe: Aza milaza amin’ olona ny fahitana, mandra-pitsangan’ ny Zanak’ olona amin’ ny maty.
MATIO 17 :1-9

MAHATOKY NY TENIN’ ANDRIAMANITRA

Ny hevitry ny « mahatoky » dia tsy miova ary azo antoka amin’ny toetrany sy ny fombany. Toy izany ny Tenin’ Andriamanitra.

1-Manomboka amin’ny Soratra masina izany

Rehefa niova tarehy i Jesoa teo anatrehan’ny solotenan’ny mpianatra telo mirahalahy dia niseho teo koa i Mosesy sy i Elia. I Mosesy dia enti-milaza ny boky dimy, na ny lalàna na ny Pentatioka, antsoina hoe: Boky dimin’ i Mosesy. I Elia kosa dia manambara ny Mpaminany. Ny lalàna sy Mpaminany no isehoan’i Jesoa sady manambara Azy. Ny lalàna sy Mpaminany izay tsy hafa fa enti-miantso ny Soratra Masina amin’ny ankapobeny. Azo antoka ny Tenin’ Andriamanitra manomboka amin’ny Soratra Masina satria manambara an’i Jesoa Kristy izany.

2-Mihoatra lavitra noho ny fahagagana ny fahitana izany.

Taitra sady gaga ny mpianatra ary tamana ka saika hanao lay teo amin’ny toerana nosehoan’ny fahagagana. Raha mbola teo am-pitenenanana ny fikasany ny mpianatra (and 5) dia takona ilay fahitana fa feo sy Tenin’ Andriamanitra no re. Ny Tenin’ Andriamanitra no mitoetra, fa ny fahagagana sy ny fahitana mandalo. Tsy avelan’ny Tompo hijanona eo amin’ny fahitana isika, na hitoetra eo amin’ny fahagagana satria ny Tenin’ Andriamanitra no mahatoky, tsy miova ary azo antoka hahalalana marina an’i Jesoa ho Zanak’ Andriamanitra.

Fanontaniana:

Inona no mavesa-danja kokoa amin’ny fampiorenam-pinoana , ny fahitana sa ny fihainoana?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.
Amen !