Mofon’aina – Alatsinainy 23 janoary 2017

19 Ary Jesoa namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ny Zanaka tsy mahazo manao na inona na inona ho Azy, afa-tsy izay hitany ataon’ ny Ray; fa na inona na inona no ataon’ ny Ray dia toy izany koa no ataon’ ny Zanaka.20 Fa ny Ray tia ny Zanaka ka maneho Azy ny zavatra rehetra izay ataon’ ny tenany; ary asa lehibe noho ireny no hasehony Azy, mba ho gaga hianareo.21 Fa toy ny Ray manangana sy mamelona ny maty, dia tahaka izany koa no ameloman’ ny Zanaka izay tiany.22 Fa ny Ray aza tsy mitsara olona, fa ny fitsarana rehetra dia nomeny ny Zanaka,23 mba hanajan’ ny olona rehetra ny Zanaka, tahaka ny fanajany ny Ray. Izay tsy manaja ny Zanaka dia tsy manaja ny Ray, Izay naniraka Azy.
JAONA 5 :19-23

VAVOLOMBELONA AMIN’NY TENANY I JESOA

1-Ambarany fa iray ihany Izy sy ny Ray amin’ny asany

Tsy miteny mivantana izany i Jesoa , kanefa mazava ny tiany holazaina . Izay ataony dia izay hitany fa ataon’ny Ray ihany. Tsy mamorona asa hafa ivelan’izay ataon’ny Ray i Jesoa (and19a). Koa raha manamasina amin’ny sabata i Jesoa dia tsy hafa noho ny asan’ Andriamanitra izany. Eo amin’ny asany dia iray ihany i Jesoa sy ny Ray.

2-Ambarany fa manana andraikitra manokana Izy .

Ny Sal 7 no milaza fa mpitsara marina ny Ray, ary averin’ny Heb 12 :23 izany. Ambaran’i Jesoa eto , fa efa nomen’ny Ray Azy io andraikitra io (and 22). Vavolombelona manambara ny tenany i Jesoa fa mitovy Izy sy ny Ray. Isika ankehitriny amin’ny maha- kristiana antsika dia aseho sy ambara amintsika ao amin’ny Soratra masina izany fijoroana ho vavolombelona ataon’i Jesoa Kristy izany. Koa minoa, aza misalasala ny amin’i Jesoa Zanaky ny Ray. Andriamanitra, tonga hanome fiainana ho an’izao tontolo izao, ary isika no mahazo tombony amin’izany, satria Mpamonjy antsika Izy, fa tia ny olombelona rehetra hovonjena (1 Tim 2 :3,4).

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.
Amen !