Mofon’aina – TALATA 25 APRILY 2017

21 Tsy fantatrareo va? Tsy efa renareo va? Tsy efa nambara taminareo fony taloha va? Tsy efa azonareo an-tsaina va ny amin’ ny fanorenan’ ny tany?22 Izy no mipetraka amin’ ny habakabaka ambonin’ ny tany, ary ny mponina etỳ dia tahaka ny valala; Izy no mamelatra ny lanitra tahaka ny lamba manify kararavina ary manenjana azy tahaka ny lay hitoerana;23 Izy no mahatsinontsinona ny mpanapaka sy mahatonga ny mpitsara amin’ ny tany ho tahaka ny zava-poana.24 Vao nambolena vetivety ireo, vao nafafy ireo, vao namaka tao amin’ ny tany ny fotony, dia notsofin’ Andriamanitra ireo, ka dia nalazo, ary nindaosin’ ny tafio-drivotra tahaka ny vodivary izy.25 Koa ampitovinareo amin’ iza moa Aho, hitahako aminy? Hoy ny Iray Masina.26 Asandrato ny masonareo, ka mijere; Iza no nahary ireny? Izy no mamoaka ny antokony araka ny isany sy miantso azy rehetra amin’ ny anarany avy noho ny haben’ ny fahatanjahany sy ny heriny tsy toha, ka tsy misy diso ireny na dia iray akory aza.
ISAIA 40 :21-26

ANDRIAMANITRA MPAHARY ANDRIAMANITRA

1-Mpahary  ny lanitra sy ny tany Andriamanitra 

Miverina indray ny fanambarana amin’ ny maha- mpahary  an’ Andriamanitra (and26). Ao anatin’ny tantaran’Israely babo  tany Babylona dia manambara  ny maha- Mpahary  Azy ny Tompo. Izany dia entiny  manambara fa amin’ny fahariana no hamonjeny  ny babo. Izy  no mpahary  ny lanitra sy ny habakabaka. Izy  no manome ny olona tany onenana. Ny Tompo no manome ny mpanjaka sy ny mpitsara fahefana sady manala izany koa  (and 23-24). An’ Andriamanitra avokoa ny zavatra rehetra sy ny fahefana  ary  ny hita maso  sy ny tsy hita. Ao  amin’ny fahariana  ny Tompo  no mahary  ny famonjena  ho an’ny vahoakany. Ampy  hamonjena  izao tontolo izao  sy ny vahokany ny heriny sy ny fahefany. Tsy mka saina amin’ny olona izy amin’ny famonjena ny olombelona mpanota, fa Izy  ihany dia mahavita izany.

2-Masina Andriamanitra 

Tsy  misy  azo ampitoviana amin’ Andriamanitry  ny Israely. Mpahary Izy , mpamonjy ary masina Izy . Tompon’ny hery  rehetra sy ny fahalalana  ary ny fotoana  sy ny toerana rehetra Izy. Azy ny tanjaka sy ny hery tsy toha ka tsy misy  afaka hisakana ny sitrapony. Andriamanitra dia tsy manana hadisoana na kilema (and 26). Masina ny Tompo, ka nifidy ny Israely hametrahany ny anarany sy hanaovany  fanekena. Tiany ho masina ny fiangonana mba ho azzy tanteraka. I Jesoa Kristy  dia mitoetra eo amin’ny mino  hanamasinany  azy.

Fanontaniana:

Inona no asan’ Andriamanitra mba hanamasinany antsika ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !