Mofon’aina – ZOMA 23 JONA 2017

1 Moa midera tena indray va izahay, sa toy ny sasany ka mila epistily filazan-tsoa anay ho aminareo, na avy aminareo?2 Ianareo no epistilinay voasoratra ato am-ponay sady fantatra sy vakin’ ny olona rehetra;3 eny, aseho ho epistilin’ i Kristy izay entinay ianareo, tsy nosoratana tamin’ ny ranomainty anefa, fa tamin’ ny Fanahin’ Andriamanitra velona, tsy teo amin’ izay tena vato fisaka, fa teo amin’ izay vato fisaka nofo, dia ny fo.4 Ary manana izany fahatokiana izany ny amin’ Andriamanitra izahay amin’ ny alalan’ i Kristy.5 Kanefa tsy mihambo hanana fahaleovana avy aminay hihevitra na amin’ inona na amin’ inona izahay; fa ny fahaleovanay dia avy amin’ Andriamanitra,6 Izay efa nampahaleo anay koa ho mpanompo amin’ izay fanekena vaovao, nefa tsy amin’ ny soratra, fa amin’ ny Fanahy; fa ny soratra mahafaty, fa ny Fanahy no mahavelona.
2 KORINTIANA 3 :1-6

NY VOKATRY  NY ASAN’NY FANAHY MASINA

Ao anatin’ny fanoheran’ny mpampianatra sandoka  ao  amin’ny fiangonana tao Korinto   ny  Apostoly Paoly. Ireo  dia manambara  fa fireharehana  ny Epistily nosoratany.

1-Ny Fiangonana   dia Epistily avy amin’ny Fanahy Masina 

Vavolombelon’ny Fanahy Masina  ny fiangonana  tao  Korinto. Ao am-pon’ny Apostoly ny fitiavany ny fiangonana tao Korinto. Voasoratra tamin’ny fanahin’ Andriamanitra velona (and 3). Ny vokatry  ny asan’ny Fanahy Masina   dia tsy hay vonoina na fafana, tsy  tahaka ny voasoratra amin’ny ranomainty. Porofo velona  ho an’ny Apostoly ny fiangonana fa tsy fideran-tena no nambarany teo aloha  fa tena  manambara  ny marina  sy ny tena fanompoany  tokoa. Vavolombelon’ny fanompoan’ny Apostoly  Paoly ny fijoroan’ny fiangonana.

2-Ny Apostoly  mpanompon’ny Fanahy Masina 

Fanompoana  avy amin’ny Fanahy Masina  ny fanompoan’ny Apostoly . Minisitry ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy  no dikateny ilazana  izany fanompoana  izany .Koa izany fahaleovana  na  fahafahany   manao   na  fahombiazana    amin’izao  fanompoana  izao  dia tsy avy aminy   fa avy amin’ Andriamanitra (and 5). Andriamanitra  no nampiditra  azy ho  amin’ny fanompoana ao amin’ny fanekena vaovao, araka ny Fanahy Masina  fa tsy didy aman-dalàna akory. Tsy sora-tànna  no nanendrena  ny Apostoly ho mpanompo fa tamin’ny Fanahy Masina.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !