Mofon’aina – ALAKAMISY 29 JONA 2017

12 Koa amin’ izany, satria manana izany fanantenana izany izahay, dia sahy tokoa,13 ary tsy tahaka an’ i Mosesy, izay nanarona ny tavany tamin’ ny fisalobonana, mba tsy hibanjinan’ ny Zanak’ Isiraely ny faran’ izay nihalevona;14 fa efa donto ny sainy; fa ambaraka androany dia mbola tsy nesorina ihany izany fisalobonana izany, raha vakina ny tenin’ ny fanekena taloha, satria ao amin’ i Kristy ihany no anesorana izany.15 Fa misy fisalobonana manarona ny fony ambaraka androany, raha vakina ny tenin’ i Mosesy.16 Kanefa rehefa miverina amin’ ny Tompo izy, dia hesorina ihany ny fisalobonana.17 Ary ny Tompo izany Fanahy izany; ary izay itoeran’ ny Fanahin’ ny Tompo no itoeran’ ny fahafahana.18 Fa isika rehetra kosa amin’ ny tava tsy misarona dia mijery ny voninahitry ny Tompo toy ny amin’ ny fitaratra, ka ovana hahazo izany endrika izany indrindra avy amin’ ny voninahitra ka ho amin’ ny voninahitra, toy ny avy amin’ ny Tompo, dia ny Fanahy.
2 KORINTIANA 3 :12-18

« ARY  NY  TOMPO  IZANY FANAHY IZANY » ( 2 KOR 3 :17)

1-Manala ny fisalobonana ny Fanahy Masina

Andriamanitra tokana i Jesoa Kristy  sy ny Fanahy Masina. Iray ny Tompo, iray ny Fanahy  Masina . Ny finoana  an’i Jesoa Kristy  avy amin’ny Fanhy Masina  dia manala ny fisalobonana  izay manarona  ny Jiosy  sy ny tsy mino  an’i Jesoa Kristy  ho Tompo  sy Mpamonjy ny Fanahy Masina . Izy  no manambara  ny fitiavana sy ny herin’ Andriamanitra mamonjy  ny olona rehetra. Tsy  ilay nofo  voahombo   tamin’ny hazo fijaliana intsony ny Tompo fa ny Fanahy Masina mitondra finoana  ho an’ny Jiosy sy ny tsy mino  Azy.

2-Manome fahafahana  sy voninahitra  ny Fanahy Masina

Fanomezana  lehibe  roa no omen’ny Fanahy Masina ny mino. « itoeran’ny fahafahana » ny mino  (and 17). Fatoran’ny tsy finoana an’i Jesoa Kristy   ny  Jiosy  sy ny Jentilisa . manamafy izany fatorana izany  ny fampianaran-diso  ataon’ny mpampianatra sandoka , izay  manohitra   ny Apostoly (jereo  2 Kor 2 :6) .Miasa  feno ho fanafahana  ny tsy mino   ny  Tompo ny Fanhy . Miasa  ao amin’ny mino  sy ny fiangonana, izay hirahiny  hitory famonjena  eto an-tany  Izy. Raha  miverina  amin’ny Tompo ny Jiosy  na ny tsy mino  dia esorina  izany ny tsy finoany. Mahita   sy manana  ny Voninahitr’i Jesoa Kristy  avy amin’ny Fanahy Masina  tahaka   an’i Mosesy  ny mino   (and 18). Ovaina  hanana  ny endriky ny Voninahitr’ Andriamanitra  ny olona. Raiso ny Fanahy Masina fa izany no sitrapon’ ny Tompo ho antsika.

Fanontaniana :

Voninahitra toy inona no tiantsika  ho azo ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !