MOFON’AINA ZOMA 24 SEPTAMBRA 2021

5 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:6 Alao ny Levita avy amin’ ny Zanak’ Isiraely, ka diovy izy.7 Ary izao no hataonao aminy hanadiovana azy: Fafazo rano fanadiovana izy, ary asaovy haratany avokoa ny tenany rehetra, ary aoka hosasany ny fitafiany, ka dia hadio izy.8 Dia asaovy maka vantotr’ ombilahy iray izy mbamin’ ny fanatitra hohanina fombany, dia koba tsara toto voaharo diloilo; ary vantotr’ ombilahy iray koa no halainao ho fanatitra noho ny ota.9 Ary ento ny Levita hankeo anoloan’ ny trano-lay fihaonana; ary vorio ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra.10 Ary ento ny Levita hankeo anatrehan’ i Jehovah; ary ny Zanak’ Isiraely hametraka ny tànany aminy;11 ary Arona dia hanatitra ny Levita eo anatrehan’ i Jehovah ho fanatitra ahevaheva avy amin’ ny Zanak’ Isiraely, mba hanao ny fanompoana an’ i Jehovah izy.12 Ary ny Levita hametraka ny tànany amin’ ny lohan’ ny vantotr’ ombilahy roa; dia atero ny anankiray ho fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray kosa ho fanatitra odorana ho an’ i Jehovah, hanaovana fanavotana ho an’ ny Levita.
NOMERY 8.5-12

ANDRIAMANITRA MIFIDY NY OLONY

1-Manadio ny mpanompony

Naniraka an’iMosesy Izy mba hanadio ny Levita. Jehovah Andriamanitra dia marina sady feno fahamasinana, ka tsy misy pentipentin’ny fahalotoana. Koa raha miantso ny olony Izy dia manadio azy aloha. Tsara marihana fa raha naniraka an’i Mosesy Andriamanitra dia Izy no nanoro ny fomba entina hanatanterahana izany : »fafazo rano fanadiovana izy » (and 7). Ny rano no entina hanasana sy hanadiovana ny ota : asaivo haratana avokoa ny tenany rehetra (and 7). Izany dia maneho fa tena misy zavatra esorina ao anaty , misy zavatra mila ovana : « aoka hosasany ny fitafiany » (and 7). Ny fitafiam-panahy no ilaina ho fotsy mangatsakatsaka tahaka ny orampanala sy ho fotsy tsy misy pentimpentina tahaka ny volon-kodin-janakondry. Izany dia mampahatsiaro antsika ny amin’ny batisa izay mitondra fiorenam-pinoana vaovao ao amin’i Kristy Jesoa ka mba hananantsika anjara fiainana ao Aminy .

2-Hanao ny asa fanompoana

Nantsoin’Andriamanitra ny Levita hanompo ao amin’ny Tranolay fihaonana. Tohizan’Andriamanitra mandrakariva ny fanomezany sori-dàlana enti-manatanteraka ny sitrapony. Ny fanehoana ny Levita eo amin’Israely mba hametrahany tànana dia milaza ny amin’ny fanokanana sy fanosorana ataon’Andriamanitra. Voasoratra fa « Arona dia hanatitra ny Levita …fanompoana an’i Jehovah izy« (and12). Fanatitra velona ho an’Andriamanitra ny Levita, izay nahitana ny fanolorantena, fahafoizan-tena hanao ny sitrapon’Andriamanitra .Amin’izao androntsika izao dia matetika variana ny kristiana ka ny vola aman-karena no tena fanatitra sitrak’Andriamanitra, kanefa tsy azo hadinoina fa ny tenantsika mihitsy no tempolin’Andriamanitra ka ho fanirakirany amin’ny asa izay iantsoany antsika tsirairay.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.