MOFON’AINA ALAKAMISY 23 SEPTAMBRA 2021

25 Fa ny famorana mahasoa tokoa, raha mankatò ny lalàna ianao; fa raha mpandika ny lalàna kosa ianao, dia efa tonga toy ny tsy voafora, na dia efa voafora aza.26 Ary raha mankatò ny fitsipiky ny lalàna ny tsy voafora, tsy hatao ho isan’ ny voafora va izy, na dia tsy voafora aza?27 Ary tsy hohelohin’ ny tsy mifora izay mankatò ny lalàna va ianao, izay mpandika ny lalàna, na dia manana ny soratra sy ny famorana aza ianao?28 Fa tsy izay araka ny miseho no Jiosy, ary tsy izay miseho eo amin’ ny nofo no famorana;29 fa izay araka ny miafina no Jiosy, ary ny famorana dia amin’ ny fo, amin’ ny fanahy, fa tsy amin’ ny soratra; ny fiderana ireny tsy avy amin’ ny olona, fa avy amin’ Andriamanitra.
ROMANA 2.25-29

NY FIORENANA AO AMIN’ANDRIAMANITRA

1-Mitaky fankatoavana ny lalàna

Nisy fitondrantena tsy mendrika nataon’ny Jiosy ka Izy ireo no niantefan’ity andinin-tSoratra Masina ity . Nireharehany ny maha-olona voafora azy .Ambaran’i Paoly anefa fa tsy misy heviny ny maha-voafora sy ny tsy maha-voafora, fa ny fankatoavana ny lalàna no zava-dehibe. Nifanohitra tamin’izany ny fitondrantenan’izy ireo , izay nanala baraka ny Voninahitr’ Andriamanitra tamin’ny fitondrantena maloto, izay nahatonga fahatafitohinana tamin’ny Jentilisa. Tena nanameloka izany i Paoly ka sahy nilaza hoe : « Ary tsy hohelohin’ny tsy mifora izay …famorana aza ianao? » (Rom 2 :27)). Manoloana izany, ny tena fiainana kristiana dia tsy maintsy maneho ny fahalehibiazan’ny Voninahitr’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanatanterahana ny sitrapony.

2-Mitaky toetra feno fahamasinana

Antitranterin’i Paoly fa tsy fisehoana ivelany ny famorana. Izany no nilazany hoe: « fa tsy izay araka …famorana » (Rom 2 :28). Noho izany , ny fo sy ny fanahy no asainy forana mba hananan’ny olona toetra feno fahamasinana ka ho hita eo amin’ny fiainany ny Voninahitr’Andriamanitra . Amin’ny kristiana dia miseho amin’ny alalan’ny batisa izany, amin’ny fandraisana ny Fanahy Masina .Notohizan’i Paoly ihany koa izany « fa tsy amin’ny soratra ». Nambarany fa tsy ny soratra no inona fa ny hevitra fonosiny sy ny fanatanterahana azy .Ohatra, ny anaran’olona iray dia mety mpamari-toetra tsara tokoa, nefa ny toetrany tsy voatery hifanaraka amin’ilay anarany. Noho izany , ny olona samy olona dia tsy afaka hifampitsara ny amin’ny famorana anaty fa Izy Andriamanitra irery ihany no mijery sy mahalala ny fo sy ny fanahin’ny tsirairay.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.