MOFON’AINA ALAKAMISY 25 JONA 2020

21 Raha noana ny fahavalonao, omeo hanina izy; Ary raha mangetaheta izy, omeo rano hosotroiny; 22 Fa raha manao izany ianao, dia hanambatra vainafo ho eo an-dohany, Ary Jehovah no hamaly soa anao
OHABOLANA 25 : 21,22

MIHAVANA AMIN’NY FAHAVALO

Ny bokin’ny ohabolana dia boky anisan’ny miavaka ao amin’ny Soratra Masina. Izy dia fitambaran’ireo fampianarana maromaro momba ny fahendrena teo amin’ny Isiraely. Torolalana sy toromarika hananana fahendrena no tena hita ato amin’ny boky. Ny famakiana ny bokin’ny Ohabolana arak’izao dia inoana fa hampitombo tokoa ny fahendren’izay mamaky izany. Ny mofonaina androany dia mampianatra ny fahendrena noho ny fahaiza-mihavana amin’ny olona rehetra. Avo lenta kokoa ny toromarika omen’ny mpanoratra raha miresaka fihavanana izy. Avo lenta satria mampirisika ny mpamaky izy hihavana amin’ny fahavalony. Tsy mahagaga izany, satria araka ny fantatra dia Solomona Mpanjaka no nanoratra ny boky, izy tsy mba mpitari-tafika toa an’i Davida rainy, izy tsy mba miaramila rahateo, ny pôlitika nampiasainy tamin’ny fitondrana fanjakana dia pôlitika malefaka kokoa (stratégie pacifique) ho enti-mifandray amin’ireo firenena teto amin’izao tontolo izao. Araka ny fahendren’ny mpanoratra ary dia mila mihavana amin’ny fahavalo ny mino ka

  1. Manasoa azy (and 21)

« Raha noana ny fahavalonao, omeo hanina izy; Ary raha mangetaheta izy, omeo rano hosotroiny »

Zavatra tsy fahita, zavatra tsy mahazatra no ambaran’ny Mpanoratra eto. Ny mahazatra dia ny mandringana fahavalo, ny mahazatra sy ny fahita dia ny manao izay hampahalemy ny fahavalo mba hahamora ny fandresena azy. Eto kosa anefa dia ampianarin’ny mpanoratra ny mpamaky azy mba hikarakara ny fahavalony. Hanome azy izay rehetra hampahatanjaka azy, hanome azy izay rehetra hahavelona azy. Mampianatra antsika ny mpanoratra eto ny fomba vaovao hifandraisana amin’ny fahavalo, mampianatra antsika ny mpanoratra eto ny etika vaovao ateraky ny fitiavana, izay mahay maneho fitiavana na dia amin’izay mijoro ho fahavalo aza. Manamafy izany Paoly, ary mandrisika mihitsy aza hanao soa ny nanisy ratsy ny tena raha niteny hoe: « aza mety ho resin’ny ratsy, fa reseo amin’ny tsara ny ratsy »( DIEM Rom 12 : 21). Jesoa dia tena niaina ity manasoa ny fahavalo ity ara-bakiteny, nangataka tamin’Andriamanitra Izy mba hamela heloka ireo olona nanombo Azy teo amin’ny hazo fijaliana. Ary raha ny marina dia maty teo amin’ny hazo fijaliana koa Jesoa mba ho famonjena na dia ireo nanombo Azy teo amin’ny hazo fijaliana aza. Mahafinaritra ery ny mamaky ny fampianaran’i Jesoa momba ny fihavanana amin’ny fahavalo. « Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an’izay manenjika anareo » (Mat 5 : 44).

  1. Mandray fahasoavana avy amin’ny Tompo (and 22)

« Fa raha manao izany ianao, dia hanambatra vainafo ho eo an-dohany, Ary Jehovah no hamaly soa anao »

Ny soa atao amin’ny hafa dia hahasoam-pahasoavana mandrakariva avy amin’ny Tompo. Eto dia mazava tsara fa manasoa izay miezaka mikarakara sy mihavana tsara amin’ny fahavalony Andriamanitra. Ilay mihavana amin’ny fahavalo mantsy dia manao ny ezaka rehetra hisian’ny filaminana, hahatsara ny fihavanana. Sitrak’Andriamanitra izany ka mahatonga an’Andriamanitra manasoa izay manao izany. Amin’izao vanim-potoana akaikin’ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny fetim-pirenena izao, heverina fa tena zava-dehibe ny hifanasoavan’ny samy Malagasy, mpiarabelona sy mpiaramonina, indrindra ny samy kristianina. Loharanom-pahasoavana ho an’ny tsirairay mantsy izany, loharanom-pahasoavana sy fitahiana ho an’ny firenena manontolo koa. Tao amin’i Jesoa tokoa ny fahasoavana rehetra avy amin’Andriamanitra, raha tonga teto amin’izao tontolo izao mantsy Izy dia tonga hihavana amin’ny olona rehetra.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.