MOFON’AINA ZOMA 26 APRILY 2019

2 Ary Josia nanendry ny mpisorona ho amin’ny anjara-raharahany avy ka namporisika azy hanao ny fanompoana ao an-tranon’i Jehovah. 3 Ary hoy izy tamin’ny Levita izay mpampianatra ny Isiraely rehetra sady efa masina ho an’i Jehovah: Apetraho ao an-trano nataon’i Solomona, zanak’i Davida, mpanjakan’ny Isiraely, ny fiara masina; fa izao dia efa tsy milanja azy intsony hianareo; koa manompoa an’i Jehovah Andriamanitrareo sy ny Isiraely olony; 4 ary samia miomana araka ny fianakavianareo avy hianareo, dia araka ny antokonareo, araka ny voasoratr’i Davida, mpanjakan’ny Isiraely, sy araka ny voasoratr’i Solomona zanany koa. 5 Ary mitsangàna eo amin’ny fitoerana masina araka ny fizaran’ny fianakavian’ny rahalahinareo amin’ny vahoaka sy araka ny fizaran’ny fianakavian’ny Levita. 6 Dia vonoy ny Paska, sady hamasino ny tenanareo, ka manamboara ho an’ny rahalahinareo, hanaovana araka ny tenin’i Jehovah izay nampilazainy an’i Mosesy. 7 Ary ny vahoaka izay vory teo dia nomen’i Josia zanak’ondry sy zanak’osy, telo alina no isany — hatao Paska avokoa ireo — sy omby telo arivo; avy tamin’ny fananan’ny mpanjaka ireo. 8 Ary ny mpanapaka nanome an-tsitrapo ho an’ny olona sy ho an’ny mpisorona sy ny Levita. Ary Hilkia sy Zakaria sy Jehiela, mpanapaka ny tranon’Andriamanitra, nanome ondry aman-osy enin-jato amby roa arivo ho an’ny mpisorona hatao Paska ary omby telon-jato. 9 Ary Konania sy Semaia sy Netanela rahalahiny ary Hasabia sy Jeiela sy Jozabada, lehiben’ny Levita, nanome ondry aman-osy dimy arivo ho an’ny Levita hatao Paska ary omby diman-jato.
2 TANTARA 35. 2-9

NY FITANDREMANA NY PASKA TAMIN’NY ANDRON’I JOSIA MPANJAKA

Josia dia anisan’ireo mpanjaka teo amin’ny isiraely nanao ho zava-dehibe ny fiverenana tamin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Eto amin’izao mofonaina izao dia manambara fa nitandrina ny paska. Nanendry mpisorona izy tamin’ny fanatanterahana izany. Ny fitandremana ny paska tamin’ny androny dia

  1. Notanterahina tamin’ny fiomanana fatratra (and 2-6)

« samia miomana araka ny fianakavianareo avy hianareo, dia araka ny antokonareo, araka ny voasoratr’i Davida, mpanjakan’ny Isiraely, sy araka ny voasoratr’i Solomona zanany koa »

– Notendrena aloha ireo mpisorona sy levita tamin’ny asa fanompoana teo amin’ny tempoly. Zava-dehibe amin’ny fitandremana ny paska ny asa fanompoana ao amin’ny tempoly. Zavatra tsy azo atao ambanin-javatra. Amin’ny fotoam-panompoana eo amin’ny tempoly dia zava-dehibe ny fahatsiarovan’ny tsirairay ny anjara fanompoany avy.

– Niomana avokoa ny isam-pianakaviana. Satria ireo isam-pianakaviana dia nasainy niomana ihany koa amin’ny fitandremana ny paska. Tsy ny trano fiangonana na ny asa fanompoana ihany no mila vonona tsara fa ny olona izay hitandrina ny paska koa. Ataovy ary izay hahatonga anao ho vonona tsara amin’ny asa tsara rehetra, indrindra rehefa hihaona amin’ny Tompo amin’ny alalan’ny fanompoam-pivavahana.

  1. Notanterahina tamin’ny fahafoizana (and 7-9)

« Ary ny vahoaka izay vory teo dia nomen’i Josia zanak’ondry sy zanak’osy, telo alina no isany — hatao Paska avokoa ireo — sy omby telo arivo; avy tamin’ny fananan’ny mpanjaka ireo. 8 Ary ny mpanapaka nanome an-tsitrapo ho an’ny olona sy ho an’ny mpisorona sy ny Levita »

– Josia mpanjaka no nanolotra fanomezana voalohany mba ahafahana mitandrina ny paska. Nanolotra biby maro izy ho enti-manatanteraka ny paska.

– Nanolotra toa azy ihany koa ireo mpanapaka teo amin’ny fiangonana sy ny fiarahamonina. Rehefa nahita ny ohatra tsara nataon’ny mpanjaka ny olona dia nanao toa azy ihany koa. Marina mihitsy eto fa « l’exemple vient d’en haut » tokoa.

Mba ahafahana manompo marina ny Tompo dia zava-dehibe ny fanolorana ho an’Andriamanitra sy ny asany. Rehefa hita ho mahafoy isika dia mampirisika ny hafa hahafoy ho amin’ny asan’Andriamanitra koa izany. Raha vao miresaka paska isika dia hahatsiaro mandrakariva ny fanoloran-tenan’i Jesoa Kristy ho paska ho an’izao tontolo izao. Mila mianatra Aminy koa isika.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra !