MOFON’AINA ZOMA 26 OKTOBRA 2018

31Ary raha tonga ny Zanak’olona amin’ny voninahiny, arahin’ny anjely rehetra, dia hipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianan’ny voninahiny Izy;32ary ny firenena rehetra hangonina eo anatrehany, dia hanavaka azy Izy, tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy;33ary hametraka ny ondry eo amin’ny ankavanany Izy, fa ny osy eo amin’ny ankaviany.34Ary amin’izany ny Mpanjaka dia hilaza amin’izay eo amin’ny ankavanany hoe: Avia ianareo izay notahin’ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao;35fa noana Aho, dia nomenareo hanina; nangetaheta Aho dia nampisotroinareo; nivahiny Aho, dia nampiantranoinareo;36tsy nanan-kitafy Aho, dia notafianareo; narary Aho, dia notsaboinareo; tao an-trano-maizina Aho, dia novangianareo.37Ary hamaly Azy ny marina ka hanao hoe: Tompoko, oviana no hitanay noana Ianao ka nomenay hanina, na nangetaheta ka nampisotroinay?38Ary oviana no hitanay nivahiny Ianao ka nampiantranoinay, na tsy nanan-kitafy ka notafianay?39Ary oviana no hitanay narary Ianao, na tao an-trano-maizina, ka novangianay?40Dia hamaly ny Mpanjaka ka hanao aminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay efa nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko.41Ary dia hilaza indray amin’izay eo amin’ny ankaviany kosa Izy hoe: Mialà Amiko, ianareo izay voaozona ho any amin’ny afo maharitra mandrakizay, izay voavoatra ho an’ny devoly sy ny anjeliny;42fa noana Aho, fa tsy mba nomenareo hanina; nangetaheta Aho, fa tsy mba nampisotroinareo;43nivahiny Aho, fa tsy mba nampiantranoinareo; tsy nanan-kitafy Aho, fa tsy mba notafianareo; narary sy tao an-trano-maizina Aho, fa tsy mba novangianareo.44Ary dia hamaly kosa ireo hoe: Tompoko, oviana no hitanay noana Ianao, na nangetaheta, na nivahiny, na tsy nanan-kitafy, na narary, na tao an-trano-maizina, ka tsy mba nanompo Anao izahay?45Fa hamaly azy Izy ka hanao hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay tsy nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto kely indrindra ireto no tsy mba nataonareo tamiko.46Ary ireo dia hiala ho any amin’ny fampijaliana mandrakizay: fa ny marina ho any amin’ny fiainana mandrakizay.
MATIO 25 : 31-46

NY VOKATRY NY FINOANA IAINANA

1- Hampadova ny fiainana mandrakizay

Rehefa ho avy ny Zanak’olona dia hanavaka ny mino, tena niaina tamin’ny fitandremana ny didin’Andriamanitra amin’izay milaza fa mino nefa tsy mba nanatanteraka izay nampanaovin’ny Tompo azy akory. Hisy izany ireo ilazany hoe : «Avia ianareo izay notahian’ny Raiko, mandovà ny fanjakana voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao… » (and.35). Nataony teo ankavanany ireo ary nomarihany tsara fa nanampy ireo madinika mino ny Tompo. Fa ao kosa ireo tsy niaina tamin’ny finoana ka nilazany hoe : « Mialà Amiko. ianareo izay voaozona. ho any amin ‘ny afo maharitra mandrakizay, izay voavoatra ho an ‘ny devoly sy ny anjeliny… » (and.41). Efa nifidy ny hifaly kanefa tsy nanao izay mahafaly ny hafa.

2- Handraisam-pitahiana isan’andro

Tonga fitahiana ho an’ny manodidina azy ny mino rehefa miaina amin’ny Tenin’Andriamanitra. Tsy mba sarotra ho azy mantsy ny mizara izay nomen’ny Tompo satria mpankato ny Teny izv. Ohatra : « Izay nomena maimai-poana dia aoka hizara maimai-poana». Iveloman’ny mino ny fitiavan’Andriamanitra ka asehony amin’ny asany izany finoana izany. Tsy mamihin-tànana, tia manao soa, mandray andraikitra, mitady izay mahasoa ny hafa fa tsy ny tenany ihany. Manana an’i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy halain-tahaka izy isan’andro.

Fanontaniana :

Miaina amin’ny finoana kristiana ve isika ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.