MOFON’AINA ALATSINAINY 30 SEPTAMBRA 2019

39 Ary ny aminareo, ry taranak’Isiraely, izao no lazain’i Jehovah Tompo; Samia mandeha ianareo, ka manompoa ny sampinareo; nefa any aoriana kosa dia hihaino Ahy mihitsy ianareo ka tsy handoto ny anarako masina intsony amin’ny fanatitrareo sy amin’ny sampinareo. 40 Fa ao an-tendrombohitro masina, dia ao an-tendrombohitra avon’ny Isiraely, hoy Jehovah Tompo, no hanompoan’ny taranak’Isiraely rehetra Ahy, dia izay rehetra amin’ny tany; ao no hankasitrahako azy, ary ao no hilako ny fanatitrareo sy ny voaloham-bokatra aterinareo amin’ny zava-masinareo rehetra, 41 Hankasitrahako toy ny hanitra ankasitrahana ianareo amin’ny hitondrako anareo mivoaka avy any amin’ny firenena sy ny hamoriako anareo avy any amin’ny tany samy hafa nampielezana anareo, ka dia hiseho ho masina eo anatrehan’ny jentilisa Aho amin’ny hataoko aminareo. 42 Ary ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, raha mitondra anareo ho any amin’ny tanin’ny Isiraely Aho, dia ny tany izay nananganako tanana nomena ny razanareo. 43 Ary hotsaroanareo any ny nalehanareo sy ny nataonareo rehetra izay nahaloto anareo; ary haharikoriko anareo ny tenanareo noho ny ratsy rehetra izay nataonareo. 44 Dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, rehefa miasa aminareo Aho noho ny amin’ny anarako, fa tsy araka ny lalàn-dratsinareo, na araka ny ratsy fanaonareo, ry taranak’Isiraely, hoy Jehovah Tompo.
EZEKIELA 20 : 39-44

ANDRIAMANITRA SARO-PIARO AMIN’NY FAHAMASINANA

Izao mofonaina izao dia maneho indrindra ny toetran’Andriamanitra saro-piaro amin’ny fahamasinany. Anisan’izay tena maha-saro-piaro ny Tompo, anisan’izay tena mahasarotiny an’Andriamanitra ny fahamasinany, indrindra ny fahamasinan’ny Anarany. Izany rahateo no mahatonga an’Andriamanitra miteny eo amin’ny and 39 hoe: « dia hihaino Ahy mihitsy ianareo ka tsy handoto ny anarako masina intsony amin’ny fanatitrareo sy amin’ny sampinareo ». Arak’izao mofonaina voalahatra amin’ity andro anio ity izao, saropiaro amin’ny fahamasinany ny Tompo ka

  1. Manome safidy malalaka ny olona (and 39)

« Ary ny aminareo, ry taranak’Isiraely, izao no lazain’i Jehovah Tompo; Samia mandeha ianareo, ka manompoa ny sampinareo »

Anisan’ny zavatra iray izay tena maha-Andriamanitra an’Andriamanitra io fanomezana safidy malalaka ny olona rehetra io. Io fanomezana safidy malalaka io mantsy no antsoin’izao tontolo izao hoe FAHAFAHANA. Ny tena mahafinaritra amin’ny Tompo dia izao, omeny ilay safidy ary tena mamela malalaka ilay olona izy amin’izay tiany sy amin’izay safidiany. Eto moa dia mazava ny tenin’ny Tompo: « samia mandeha ianareo ». Izany hoe samia manao izay maharesy lahatra anareo, samia manao izay heverinareo ho mahasoa anareo. Tsy tokony hoadinoina koa anefa, fa na dia manome safidy malalaka aza Andriamanitra dia miezaka hatrany Izy manoro lala-marina mba tsy ho very ny olony. Hoy mantsy ny Tompo: « Miantso ny lanitra sy ny tany aho anio ho vavolombelona aminareo fa efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fitahiana sy ny fanozonana; koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona ianao sy ny taranakao »( Deo 30 : 19). Raha toa ka ratsy safidy ny olona dia ambaran’ny Soratra Masina fa tsy hahatsara azy izany, ary hoy mihitsy aza ny Tompo eto hoe: « Ary hotsaroanareo any ny nalehanareo sy ny nataonareo rehetra izay nahaloto anareo; ary haharikoriko anareo ny tenanareo noho ny ratsy rehetra izay nataonareo »( and 43). Manome safidy malalaka ny olona ny Tompo, kanefa aoka ny olona hahay hisafidy izay mitondra azy ho amin’ny fiainana.

  1. Miaro ny fahamasinany ny Tompo (and 44)

« Dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, rehefa miasa aminareo Aho noho ny amin’ny anarako, fa tsy araka ny lalàn-dratsinareo, na araka ny ratsy fanaonareo, ry taranak’Isiraely, hoy Jehovah Tompo »

Ambaran’ny Tompo eto amin’izao and izao fa miasa amin’ny Isiraely Izy. Ilay asa tanterahiny dia tsara ihany ny milaza azy fa tena ho fiarovana ny fahamasinany. Mitondra ny anaran’ny Tompo mantsy ireto vahoaka ireto, fantatry ny Jentilisa fa vahoakan’Andriamanitra izy ireo. Noho izany dia tsy avelan’Andriamanitra hanala Baraka ny anarany sy ny maha-izy azy ireto vahoaka ireto. Izany no antony mahatonga Azy hiasa, ho fiarovana sy ho fitandroana ny voninahiny sy ny fahamasinany. Mampisaotra an’Andriamanitra ny mamaky izao mofonaina izao satria saro-piaro amin’ny fahamasinany Andriamanitra dia hamasininy isika, tsy avelany ho resin’ny fahotana. Izany rahateo no nanirahany an’i Jesoa ho eto amin’izao tontolo izao, hanafaka ny zanany rehetra amin’ny herin’ny fahotana.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.