Mofon’aina – Zoma 31 martsa 2017

9 Ary nony niala teo Jesoa, dia nahita lehilahy atao hoe Matio nipetraka teo am-pamorian-ketra, ka hoy Izy taminy; Andeha hanaraka Ahy. Dia nitsangana Matio ka nanaraka Azy.10 Ary raha nipetraka nihinana tao an-trano Izy, indreo, nisy mpanota sy mpamory hetra maro tonga ka niara-nipetraka tamin’ i Jesoa mbamin’ ny mpianany.11 Ary ny Fariseo, raha nahita izany, dia niteny tamin’ ny mpianatra hoe: Nahoana kosa ny Mpampianatra anareo no miara-komana amin’ ny mpamory hetra sy ny mpanota?12 Ary raha nahare izany Jesoa, dia nanao hoe: Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary.13 Fa mandehana ka mianara izay hevitry ny teny hoe: famindrampo no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-drà; fa tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota.
MATIO 9 :9-13

Tantara  maneho  ny niantsoan’i Jesoa Kristy  an’i Matio  no hitantsika eto .Matio  nosokajian’ny olona ho tena mpanota satria mpamory hetra. Tsy  nahasakana an’i Jesoa  hiasa  ho famonjena, ho  fanafahana azy izany.

1-Tia ny  olona rehetra

Voasokajy  ho  isan’ny mpanota  i Matio  noho ny asany. Noheverin’ny olona indrindra ireo Fariseo fa tsy tokony hisy irak’ Andriamanitra hifanerasera aminy. Noheverina  ho tsy misy  famonjena  ho azy intsony. Rehefa  nahita  azy  anefa ny Tompo, dia niantso  azy  mba  hanaraka  Azy .Fanesorana   azy amin’ny tontolo  namatotra   azy izany. Nanaiky  ny antson’ny Tompo i Matio, afaka tamin’ny fatoran’ny faharatsiana  izy. Mampianatra  antsika izany fa  tian’ Andriamanitra  hovonjena  ny olona rehetra  ka tsy  manavaka   izay tiany  antsoina  handray  ny famonjena  Izy .

2-Manana  ny fomba fiasany

Miavaka  ny fomba fiasan’i Jesoa Kristy. I Matio  no nantsoina  kanefa  indreo  olona marobe  sokajiana ho mpanota no tonga  miara-mipetraka Aminy tao an-tranon’i Matio. Rehefa  namaly ny antson’i Jesoa tokoa mantsy i Matio  dia niantso  ireo namany  ho ao an-tranony  , mila mihaona amin’i Jesoa  mba handray ny  famonjena  ihany koa  ireto olona ireto . Mampianatra   antsika  ny amin’ny fomba  entina  mitory  ny Filazantsara  izany nefa  mananatra antsika  mba tsy hanilika ny hafa  tahaka  ny nataon’i Fariseo. Jereo hatrany  ireo sokajin’olona mila vonjy.

Fanontaniana:

Inona no anatra  azonao  horaisina  amin’izao fomba  fiasa  nataon’i Jesoa Kristy izao ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !