SABOTSY 15 OKTOBRA 2022

21 Manangàna famantaran-dalana ho anao ianao, manorena tsangam-bato; Saino tsara ny lalana efa voavoatra, dia ilay lalana efa nalehanao; Miverena indray, ry Isiraely virijina, miverena indray ho amin’ireto tanànanao ireto. 22 Mandra-pahoviana no hirioriovanao, ry zanakavavy mpiodina? Fa Jehovah efa namorona zava-baovao amin’ny tany: Vehivavy no hanodidina lehilahy. 23 Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Mbola holavina indray ao amin’ny tanin’ny Joda sy ao amin’ny tanànany izao teny izao, raha hampodiko avy amin’ny fahababoany izy: Hotahin’i Jehovah anie ianao, ry fonenan’ny fahamarinana, sy ry tendrombohitry ny fahamasinana! 24 Ary ny Joda sy ny tanànany rehetra dia hiara-monina ao aminy ho mpiasa tany sy ho mpilasy mitondra ny andian’ny ondry aman’osiny. 25 Fa ny fanahy ana dia hampisotroiko, ary ny fanahy mihaosa rehetra dia hovokisakoJEREMIA 31 :21-25

ANDRIAMANITRA MAMALY NY FITARAINAN’NY OLONA

1-Miaro azy tsy ho diso làlana

« Manangana famantaran-dàlana ho anao ianao , manorena tsangambato… » (and 21). Nangataka tamin’Andriamanitra hiverina any an-tanindrazany i Efraima ary dia neken’Andriamanitra izany .Mialohan’ny ialana any am-pahababoana anefa dia tokony haniraka olona hialoha làlana azy ireo ka hametraka marika any an-dàlambe mba tsy hisy ho very ny vahoaka mody. Rehefa mody izy ireo, isaky ny mamindra dia hahatsiaro fa efa babo satria diso làlana. Araka izany, Andriamanitra miaro ny vahoakany tsy ho diso làlana intsony ka manome famantaran-dàlana ho azy. Efa nomena famantaran-dàlana koa ny kristiana dia i Jesoa Kristy fa Izy no làlana azo antoka hahatongavana any an-danitra.

2-Manome fiainam-baovao

« Fa Jehovah efa namorona zava-baovao amin’ny tany : vehivavy no hanodidina lehilahy » (and 22)

Eny an-dàlana avy any Babylona dia tsy tokony hitaredretra intsony ny vahoaka satria efa hanao zava-baovao ho an’i Jerosalema Andriamanitra. Ary ny filazana fa « vehivavy no hanodidina lehilahy » aza dia fomba fiteny milaza ny virjiny hitoe-jaza dia ny hahatongavan’ny Mesia izany. Fampanantenana fiainam-baovao no nataon’i Jehovah. Rehefa mitaraina amin’ny olana mahazo azy ny olona, Andriamanitra mamaly ka mampanantena fiainam-baovao ho antsika .Efa nanome antsika an’i Jeso aKristy Izy mba hananantsika fiainam-baovao ao Aminy, dia fiainana sy fiadanana maharitra mandrakizay. Ko a aza mitaredretra fa raiso amin’ny finoana izany.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.