ZOMA 14 OKTOBRA 2022

37 Nefa na dia efa nanao izany famantarana betsaka izany teo anatrehany aza Izy, dia tsy mba nino Azy ireo, 38 mba hahatanteraka ny teny nataon’Isaia mpaminany hoe: Tompoko, iza no nino ny teny nampitondraina anay? Ary iza no nampisehoana ny sandrin’i Jehovah? (Isa. 53 : 1.) 39 Izany no tsy nahaizany nino, satria hoy koa Isaia: 40 Efa nanajamba ny masony sy nanamafy ny fony Izy, Mba tsy hahita ny masony, na hahalala ny fony, Dia tsy hibebaka izy, Ka tsy hahasitrana azy Aho (Isa. 6 :10). 41 Izany teny izany no nolazain’Isaia, satria nahita ny voninahiny izy ka nilaza Azy. 42 Kanefa maro tamin’ny mpanapaka aza no nino Azy; nefa noho ny Fariseo dia tsy nanaiky ireo, fandrao havoaka hiala amin’ny synagoga. 43 Fa tia ny voninahitra avy amin’ny olona izy ireo, fa tsy ny voninahitra avy amin’Andriamanitra.JAONA 12:37-43

NY ASA NATAON’I JESOA KRISTY

1-Maneho ny tsy finoan’ny olona

« nefa na dia efa nanao izany famantarana betsaka izany teo anatrehany aza Izy dia tsy mba nino Azy ireo .(and 37)

Asehon’ny Soratra Masina eto fa tsy nino an’i Jesoa Kristy ny olona. Vao mainka mampiharihary ny tsy finoan’ny olona na dia efa nanao famantarana maro teo anatrehan’izy ireo aza Izy. Ny famantarana izay nampiharihary ny hery sy ny fitiavan’Andriamanitra kanefa tsy ninoan’ny olona an’i Jesoa Kristy ny hamaroan’ny fahagagana vitany satria efa voalazan’ny mpaminany izany. Tsy maintsy tanteraka izay rehatra nampilazain’ny Soratra Masina. Ary ny tsy finoan’ny olona an’i Jesoa Kristy dia efa fahatanterahan’ny Soratra Masina sahady. Koa aza mba ho isan’izay tsy mino fa minoa izay voalazan’ny Soratra Masina momba an’i Jesoa Kristy.

2-Maneho ny fahalemen’ny olona

« kanefa maro tamin’ny mpanapaka aza no nino Azy nefa noho ny Fariseo dia tsy nanaiky ireo … »(and 42).

Na dia maro aza ny tsy finoan’ny Jiosy an’i Jesoa Kristy dia voalaza eto fa nisy « mpanapaka », izany hoe: ireo mpikambana tao amin’ny Synedriona, nino an’i Jesoa Kristy. Na dia nino an’i Jesoa Kristy aza izy ireo dia tsy sahy naneho izany finoana izany mivantana sy ampahibemaso satria natahotra ny Fariseo. Misy olona tahaka izany ihany ankehitriny, mody tsy manaiky ny finoana an’i Jesoa Kristy. Ny olona tahaka izany no ambaran’ny Soratra Masina hoe: « asa » (Apo 21 :8).Tsy mahazo mandova ny fiainana mandrakizay ny olona tahaka izany. Koa sahia manambara ny finoana an’i Jesoa Kristy, aza matahotra mba hahazoanao handova ny fiainana mandrakizay .

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.