ALAKAMISY 13 OKTOBRA 2022

1 Ary amin’izany, satria manana izany fanompoana izany izahay, araka ny nahazoanay famindram-po, dia tsy ketraka. 2 Fa efa nolavinay ny zavatra takona mahamenatra, ka tsy mandeha amin’ny fihendrena, na manatsatso ny tenin’Andriamanitra izahay; fa amin’ny fanehoana ny marina no ideranay tena amin’ny fieritreretan’ny olona rehetra eo imason’Andriamanitra. 3 Fa raha miafina ny filazantsaranay, dia miafina amin’izay ho very izany, 4 izay nohajambain’ny andriamanitr’izao tontolo izao, dia ny sain’ny tsy mino, mba tsy hiposahan’ny fahazavan’ny filazantsaran’ny voninahitr’i Kristy, Izay endrik’Andriamanitra. 5 Fa tsy ny tenanay no torinay, Fa Kristy Jesoa Tompo, ary izahay mpanomponareo noho ny amin’i Jesoa. 6 Fa Andriamanitra, izay nandidy hoe: Aoka ny mazava hahazava ao amin’ny maizina, no nampahazava ny fonay ho amin’ny fahazavan’ny fahalalana ny voninahitr’Andriamanitra eo amin’ny tavan’i Jesoa Kristy.II KORINTIANA 4 :1-6

NY MPITORY NY FILAZANTSARA

1-Mitory an’i Kristy

« Fa tsy ny tenanay no torinay , fa Kristy Jesoa Tompo ary izahay mpanomponareo noho ny amin’i Jesoa » (and 5) .

Teny nataon’i Paoly manoloana ireo izay nanohitra ny maha-Apostoly azy sy ny Filazantsara notoriany izany .Tamin’izany no nambaran’i Paoly Apostoly ny maha-Tompo sy endrik’Andriamanitra an’i Jesoa Kristy. Ny olona izay mampifangaro ny Filazantsara amin’ny fahendrena, fotom-pampianarana, hevitr’olombelona no mitady voninahitra ho an’ny tenany . Koa ny Filazantsara marina dia izay miantso ny olona rehetra handray famonjena amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompo fa tsy ami’ny alalan’ny olona. Koa raha mitory ny Filazantsara ianao , taomy ny olona hanaiky an’i Jesoa kristy ho Tompo mba handraisany ny famonjena fa aza mampianatra fahendren’olombelona .

2-Mitondra ny fahazavan’i Kristy

« Aoka ny mazava hahazava ao amin’ny maizina no hampahazava ny fonay… » (and 6)

Ny faharian’Andriamanitra ny zava-boahary eto dia sarin’ny fahariana ara-moraly .Toy izany koa ny fahazavana ao anatin’ny olona nohazavain’ny Filazantsara dia hipariaka ao anatin’ny tontolon’ny feno aizina. Tokony ho tsaroana fa ny maizina sy ny mazava dia maneho ny asan’Andriamanitra tamin’ny fahariana vaovao no tsara noho ny tami’ny voalohany. Ary tsy izany ihany, fa Andriamanitra mihitsy no tonga fahazavana tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Koa raha mitory Filazantsara ianao, ambarao fa Jesoa Kristy Mpahary ny olona ho vaovao sy manome fiainam-baovao ho an’izay mandray Azy. Koa ento eo amin’ny olona ny Filazantsaran’ny fahazavan’i Kristy mba hanazava ny fiainany .

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.