20 izay nataony tao amin’ i Kristy tamin’ ny nananganany Azy tamin’ ny maty sy ny nampitoerany Azy eo amin’ ny tànany ankavanana any an-danitra,21 ambony lavitra noho ny fanapahana rehetra sy ny fahefana sy ny hery sy ny fanjakana ary ny anarana rehetra izay tononina, tsy amin’ izao fiainana izao ihany, fa amin’ ny ho avy koa,22 dia nampanaiky ny zavatra rehetra ho eo ambanin’ ny tongony Izy ka nanao Azy ho Lohany manapaka ny zavatra rehetra ho an’ ny fiangonana, izay tenany
EFESIANA 1 :20-22
I JESOA KRISTY MANAPAKA NY ZAVATRA
Misaotra an’ Andriamanitra ny Apostoly Paoly noho ny fiorenan’ny Fiangonan’i Kristy tao Efesosy .
1-I Jesoa Kristy natsangana tamin’ny maty
Andriamanitra manangana ny maty ny Andriamanintsika. I Jesoa Kristy no santatra amin’ny fitsanganan’ny maty. Izy no fanantenan’ny mino ka mandalo avokoa ny fahoriana sy ny figadrana mahazo ny kristiana noho ny fananarana sy finoana an’i Kristy. Lehibe sy mahery Andriamanitra (and 19) ary ao amin’i Kristy no isitrihantsika izany fitsanganana izany (and 20).
2-I Jesoa Kristy mitoetra eo an-kavanan’ Andriamanitra
Rehefa natsangana i Jesoa Kristy dia nampiakarina ho any an-danitra. Izany dia fanambaran’ Andriamanitra fa ny olombelona mino an’i Kristy dia ho tahaka Azy koa no hioakarany any an-danitra. I Kristy no santatra amin’izany natsangana tamin’ny maty. Mandray ny fahefana sy ny hery Izy. Tahaka izany koa izay mino Azy, handray ny hery sy ny fahefana ka tsy hanan-kery aminy ny fahafatesana sy ny ota.
3-I Jesoa Kristy lohan’ny Fiangonana
I Jesoa Kristy no Tompo manapaka izao rehetra izao, dia ny ety an-tany sy ny any an-danitra. Nataony ho an’ny Fiangonana ny zavatra rehetra ary Izy no manapaka ny zavatra rehetra ho an’ny Fiangonany. Izany no iantsoana ny Fiangonana hoe: « Fiangonan’i Jesoa Kristy ». Izy no mampikambana sy manapaka ny mpino ho iray.
Fanontaniana:
Iza no tena manapaka eo amin’ny fiangonana misy anao ?
Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !