7 Dia nahiratra ny mason’ izy mivady, ka fantany fa mitanjaka izy; ary nanjaitra ravin’ aviavy izy, ka nataony sikina ho azy.8 Ary nandre an’ i Jehovah Andriamanitra nitsangantsangana teo amin’ ny saha izy, rehefa ho hariva ny andro; ary ralehilahy sy ny vadiny niery ny tavan’ i Jehovah Andriamanitra tao anaty hazo tao amin’ ny saha.9 Ary Jehovah Andriamanitra dia niantso an-dralehilahy ka nanao taminy hoe: Aiza moa hianao?10 Dia hoy izy: Nandre Anao tao amin’ ny saha aho; dia natahotra aho, satria mitanjaka, ka dia niery.
GENESISY 3 :7-10
NY FAHALAVOANA
Ny fahalavoana dia fahatapahan’ny fifandraisan’ireo olombelona tamin’ Andriamanitra , nateraky ny tsy fankatoavana ny baikon’ Andriamanitra .
1-Tsy mahavonjy tena ny olombelona
Dia nahiratra ny masony, fantany fa nitanjaka izy. Tsy azo ampitahaina amin’ny fitanjahana eo amin’ny 2 :25 ity. Nanjary fanamelohana ny fahafantarana ny tsara sy ny fahitana ny ratsy. Tahotra fa tsy fanenenana no navalin’i Adama (and 9-10). Vao mainka aza niezaka nanalavitra an’ Andriamanitra tamin’ny fierena no natao .Tsarovy anefa, « sambatra izay miambina ka miaro ny fitafiany, fandrao mandeha mitanjaka izy, ka hita ny fahamenarany » (Apo 16 :15)
2-Andriamanitra manatona
Na dia eo aza izay rehetra mety ho endriky ny fahalemen’olombelona, tsy nanalavitra azy mihitsy Andriamanitra. Indro Andriamanitra, manatona, manakaiky, miantso ary nanontany hoe: « aiza moa ianao? ». Feo malefaka, tsy mibedy, vonona handray sy hamindra fo, mitory fahatsarana ary miseho mivantana amin’ny olona. Efa fomban’ Andriamanitra hatramin’ny fahariana mihitsy ity manatona antsika ity. Ilay Zanak’ Andriamanitra no nanatona antsika olombelona mpanota.
Fanontaniana:
Tanisao ireo endrik’ Andriamanitra ierentsika na hiafenantsika ny tavan’ Andriamanitra ?
Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !