17 Ary raha tany Mileto Paoly, dia naniraka hankany Efesosy izy ka nampaka ny loholon’ ny fiangonana hankeo aminy.18 Ary nony tonga teo aminy ireo, dia hoy izy taminy: Fantatrareo hatramin’ ny andro voalohany nahatongavako teto Asia izay toetry ny fitondran-tenako taminareo tamin’ izany andro rehetra izany,19 dia ny nanompoako ny Tompo tamin’ ny fanetren-tena rehetra sy ny ranomaso ary ny fakam-panahy izay nanjo ahy tamin’ ny fanotrehan’ ny Jiosy,20 ka tsy mba nafeniko izay mahasoa, fa nambarako sy nampianariko anareo teo imason’ ny olona ary tao amin’ ny isan-trano;21 ary nambarako tamin’ ny Jiosy sy ny jentilisa koa ny fibebahana amin’ Andriamanitra sy ny finoana an’ i Jesoa Kristy Tompontsika
Asan’ny Apostoly 20.17-21
ASEHOY NY HERY ENTIN’NY TOMPO MIASA
1-Mahaiza mandrindra sy mandamina ny asa
Maika hamonjy an’i Jerosalema ny Apostoly Paoly hitondra ny rakitra sy fanampiana avy amin’ny fiangonana tany Azia . Maika izy satria nikasa hamonjy Pentekosta any Jerosalema (vakio and 16). Tsy afaka nandalo tany Efesosy intsony , araka ny fikasany izy , noho ny fahamehany ka nampiantso ny Loholona , rehefa tonga tao Mileto (and 17). Hain’i Paoly ny nandamina ny asa, arakaraka ny zava-misy. Rehefa nampanantsoiny ny loholona dia tonga tao aminy .Fahaiza-mandrindra sy mandamina izany. Hita koa fa neken-teny i Paoly, noho ny amin’ny Tompo , ary nanana ny fahefan’ny Tompo izy .
Koa mahaiza mandamina sy mandrindra ny asa sy fotoana, fa hahazoana mitaratra ny hery entin’ny Tompo miasa izany. Mampiasa antsika Izy ka manome antsika hery sy fahefana ho enti-mandrindra sy mandamina ny asa isehoan’ny Voninahitr’ Andriamanitra. Asehoy izany eo amin’ny asam-piangonana sy ny asanao andavanandro.
2-Tsarovy fa hery tanterahina amin’ny fahalemena izany
Nananatra ireo loholona , mpiara-miasa taminy tao Efesosy i Paoly , ka nilaza ny fomba entiny mitory Filazantsara sy manompo (and 19-20). Nasehony fa nataony tamin’ny fanetretena sy tamin-dranomaso izany, satria be ny fakampanahy sy ady atrehany. Tsy làlana mora, na tsotra no izoran’ny mino, fa ahitana adin-tsaina amam-panahy, zava-manahirana sy ranomaso. Tamin’izany no nahombiazan’i Paoly, satria afaka nampibebaka ny olona rehetra izy . Tanterahin’ny Tompo amin’ny fahalemena ny heriny.
Fanontaniana:
Moa mivatravatra hatrany tokoa ve ny herin’ny Tompo ?
Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !