Mofon’aina – ZOMA 05 JANOARY 2018

15 Ary noho izany izaho koa, rehefa nandre ny finoanareo an’ i Jesosy Tompo izay hitan’ ny olona masina rehetra,16 dia tsy mitsahatra misaotra noho ny aminareo ka mahatsiaro anareo amin’ ny fivavahako,17 mba homen’ Andriamanitr’ i Jesoa Kristy Tompontsika, Rain’ ny voninahitra, ho anareo ny fanahin’ ny fahendrena sy ny fanambarana amin’ ny fahalalana Azy tsara,18 ary mba hampahiratina ny mason’ ny sainareo, mba ho fantatrareo izay fanantenana avy amin’ ny fiantsoany sy izay haren’ ny voninahitry ny lovany eo amin’ ny olona masina,19 ary ny fihoaran’ ny halehiben’ ny heriny ho antsika izay mino, araka ny fiàsan’ ny herin’ ny faherezany,20 izay nataony tao amin’ i Kristy tamin’ ny nananganany Azy tamin’ ny maty sy ny nampitoerany Azy eo amin’ ny tànany ankavanana any an-danitra,21 ambony lavitra noho ny fanapahana rehetra sy ny fahefana sy ny hery sy ny fanjakana ary ny anarana rehetra izay tononina, tsy amin’ izao fiainana izao ihany, fa amin’ ny ho avy koa,22 dia nampanaiky ny zavatra rehetra ho eo ambanin’ ny tongony Izy ka nanao Azy ho Lohany manapaka ny zavatra rehetra ho an’ ny fiangonana,23 izay tenany, dia ny fahafenoan’ izay mameno izao zavatra rehetra izao amin’ ny rehetra.
EFESIANA 1 :15-23

FANTARO NY HERY SY VONINAHITR’ ANDRIAMANITRA

1-Mivavaha ho an’izay tianao hahalala izany

Na dia efa re laza aza ny finoan’ny fiangonana tany Efesosy dia tsy mitsahatra nivavaka ho azy ny Apostoly Paoly (and 15-16). Nivavaka sy nangataka izy mba ho fantatry ny mpino tsara Ilay Andriamanitra Ray be voninahitra . Taomina koa isika hanao toy izany .Mivavaha ho an’ny fiangonana na dia efa re laza amin’ny finoana aza izy, mba hananan’ny mpino fahalalana marina an’ Andriamanitra. Fantampantatry ny olona amin’ny ankapobeny fotsiny mantsy Andriamanitra : tsy fantany ny voninahiny mba hanajany Azy, tsy fantany ny heriny mba hiankinany Aminy, tsy fantany tsara ny maha- Tompo Azy mba hanompoany sy hivavahany Aminy . Koa ho antsika : mivavaha ho an’ny hafa hitomboany amin’ny fahalalana marina sy hahalalany tsara an’ Andriamanitra.

2-Mivavaha mba hanomezany ny Fanahin’ny fahazavan-tsaina

Nangataka ho an’ny fiangonana ny Apostoly Paoly mba hanomezana azy ireo ny Fanahy Masina. Rehefa avela hiasa na ekena hitarika ny mpino ny Fanahy dia manome fahalalana sy fahazavan-tsaina (and 18). Eo amin’ny and 19 dia izao : vokatry ny vavaka sy ny asan’ny Fanahy Masina dia tonga mahalala ny halehiben’ny herin’ Andriamanitra ny mpino. Hery vaika tsy hay tohaina, manasoa sy mamelona antsika izany, ka noporofoiny tamin’ny nananganany an’i Jesoa tamin’ny maty (and 20). Koa mifampivavaha mba ho takatsika izany hery sy fahefana ary ny Voninahitry ny Tompo izany.

Fanontaniana:

Moa ve mahay mivavaka ho an’ny fiangonana isika , sa mpangataka ho entin’ny fiangonana am-bavaka ihany ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.Amen !