29 Nony ampitso dia nahita an’ i Jesoa avy manatona azy Jaona, ka dia hoy izy: Indro ny Zanak’ ondrin’ Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan’ izao tontolo izao!30 Izy Ilay nolazaiko hoe: Misy Lehilahy avy ao aoriako Izay efa tonga eo alohako, satria talohako Izy.31 Ary izaho tsy nahalala Azy; fa mba haseho amin’ ny Isiraely Izy, izany no nihaviako manao batisa amin’ ny rano.32 Ary Jaona nanambara ka nanao hoe: Izaho nahita ny Fanahy midina avy any an-danitra tahaka ny voromailala ka nitoetra teo amboniny.33 Ary izaho tsy nahalala Azy; fa Izay naniraka ahy hanao batisa amin’ ny rano no nilaza tamiko hoe: Izay ho hitanao idinan’ ny Fanahy sy itoerany, dia Izy no Mpanao batisa amin’ ny Fanahy Masina.34 Ary nahita aho, ka dia nanambara fa Izy no Zanak’ Andriamanitra.
JAONA 1 :29-34HERIN’ ANDRIAMANITRA MAMONJY ANTSIKA I JESOA
1-Mpamonjy araka ny filazan’ny Soratra Masina
Tamin’ny fotoana nihaonan’i Jaona mpanao batisa tamin’i Jesoa dia notondroin’i Jaona Izy , mba ho fantatry ny mpianany koa: « Indro ny Zanakondrin’ Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao » . Zanakondrin’ Andriamanitra ? Sary roa no ambara amin’izany ao amin’ny Soratra Masina : zanakondry nanaiky hijaly hamonjy ny olona (Isaia toko 52-53) sy ny zanakondrin’ny Paska (Eks 12) izay novonoina mba hahazoana manafaka sy mamonjy ny olona tamin’ny fanandevozana . Koa Mpamonjy voalazan’ny Soratra masina i Jesoa. Fantaro sy diniho ny Soratra Masina dia ho fantatrao marina ny antom-pahatongavan’i Jesoa . Mahadiso hevitra antsika ny tsy fahalalana ny Soratra masina ary atahorana ho diso fandray an’i Jesoa koa isika raha tsy miezaka hahalala sy hamantatra ny Soratra Masina .
2-Andriamanitra manatona sy miseho amin’ny olona
« Ary i Jaona nahita an’i Jesoa avy nanatona azy » (and29). I Jesoa nanatona an’i Jaona. Andriamanitra manatona nyn olona tokoa ny Andriamanintsika. Miavaka noho ny andriamanitry ny fivavahan-tsamihafa ny an’ny kristiana, fa tsy mba Andriamanitra tadiavina na karohina fa manatona sy manakaiky ny olona. Tsy mba Andriamanitra misonanina sy mitoetra any amin’ny toerana avo fotsiny Izy ; ka tsy maintsy mankany vao mihaona Aminy . Amin’izany fombany sy toetrany izany no hanehoany ny heriny sy ny fahefany ary ny maha-Izy Azy. Fantaro izany mba tsy hahadiso finoana anao ka hahazoanao miteny hoe: « Fantatro izay inoako »
Fanontaniana:
Inaona avy ny fomba hahalalantsika marina an’i Jesoa ?
Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !