Mofon’aina – ALAROBIA 10 JANOARY 2018

12 Ary ankehitriny, ry Isiraely ô, inona moa no ilain’ i Jehovah Andriamanitrao aminao, afa-tsy ny hatahotra an’ i Jehovah Andriamanitrao sy ny handeha amin’ ny làlany rehetra ary ny ho tia Azy sy hanompo an’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra,13 hitandrina ny didin’ i Jehovah sy ny lalàny izay andidiany anao anio, mba hahita soa ianao?14 Indro, an’ i Jehovah Andriamanitrao ny lanitra sy ny lanitry ny lanitra ary ny tany mbamin’ izay rehetra eo aminy.15 Kanefa ny razanao no niraiketan’ ny fitiavan’ i Jehovah, ka nifidy anareo zanany mandimby azy Izy mihoatra noho ny firenena rehetra, tahaka ny amin’ izao anio izao.16 Koa forao ny fonareo, fa aza mafy hatoka intsony ianareo.17 Fa Jehovah Andriamanitrareo no Andriamanitra Avo Indrindra sy Tompon’ ny tompo, Andriamanitra lehibe sy mahery ary mahatahotra, Izay tsy mizaha tavan’ olona, na mandray kolikoly;18 manome rariny ny kamboty sy ny mpitondratena Izy, sady tia ny vahiny ka manome azy hanina sy fitafiana.19 Koa tiava vahiny; fa efa mba vahiny tany amin’ ny tany Egypta ianareo.20 Jehovah Andriamanitrao no hatahoranao; Izy no hotompoinao, ary Izy no hifikiranao, ary ny anarany no hianiananao.21 Izy no fidèranao, ary Izy no Andriamanitrao, Izay efa nanao ireo zavatra lehibe sy mahatahotra ireo taminao, izay efa hitan’ ny masonao.22 Olona fito-polo ny razanao izay nidina tany Egypta; nefa ankehitriny efa nataon’ i Jehovah Andriamanitrao maro tahaka ny kintana eny amin’ ny lanitra ianao.
DEOTERONOMIA 10 :12-22

ANDRIAMANITRA  LEHIBE  SY  MAHERY  NY  TOMPONTSIKA

1-Matahora Azy

Miverimberina  eto  ny teny  mitaona  ny olona hatahotra an’ Andriamanitra  (and 12-20). Ny   matahotra Azy  dia manompo  sy mivavaka  Aminy . Tsy afa-misaraka  ny tahotra an’ Andriamanitra  sy ny manompo  Azy. Koa  raha matahotra Azy isika  dia tompoy  Izy. Mivavaha Aminy ! Aza atao kitoatoa  ny  fanompoana an’ Andriamanitra  sy ny fanarahana Azy. Tsy ny fanaovana litorjia  any am-piangonana  ihany  ny manompo an’ Andriamanitra, na fanaovana ny asana Diakona sy Mpiandry  sns… Fa ny asantsika  andavanandro  dia fanompoana  azy, rehefa  ataontsika mifanaraka  amin’ny sitrapony. Ny olona matahotra  an’ Andriamanitra dia tsy  mandray  kolikoly, tsy mifidy tavan’olona hajaina, mandala  ny fahamarinana. Ataovy  ny toy izany  fa mila  olona matahotra  an’ Andriamanitra  tokoa ny firenentsika.

2-Maneke ho olony  amin’ny fankatoavana

« Forao ny fonareo  fa aza mafy hatoka » (and 16). Ny  famorana  dia marika  hamantarana  ny maha-taranak’i Abrahama. Ny maha-mpino  izany, satria  rain’ny mino   i Abrahama. Ny  fo   no asaina  forana eto. Midika  izany fa  ny maha- olon’ Andriamanitra dia amin’ny fankatoavana ny sitrapony  ihany koa, fa tsy  amin’ny fomba amam-panao  mahazatra. Aoka  ho mpankato  Azy isika  fa aza  mpihaino  ny teny fotsiny  ihany  , raha ekentsika  fa Tompon’ny Tompo  Andriamanitra , ary manana ny  fahefana  rehetra i Jesoa Kristy . Ny fankatoavana  Azy no ento manaporofo izany.

Fanontaniana:

Inona avy no itaoman’ny Mofonaina antsika androany ankoatra izay nohazavaina eto ? (ivereno vakina ny vakiteny).

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !