3 Raha manaraka ny lalàko sy mitandrina ny didiko ianareo ka mankatò izany,4 dia hanome anareo ranonorana amin’ ny fotoany Aho, ka hahavoka-javatra ny tany, ary hamoa ny hazo any an-tsaha.5 Ary ny taom-pivelezanareo dia ho tratry ny taom-piotazam-boaloboka, ary ny taom-piotazam-boaloboka dia ho tratry ny taom-pamafazana; dia hihinana ianareo ka ho voky, ary handry fahizay eo amin’ ny taninareo.6 Ary homeko fiadanana eo amin’ ny tany ianareo ka handry fahizay, ary tsy hisy hanaitaitra, fa hofongorako ny biby masiaka amin’ ny tany, ary tsy hotetezin-tsabatra ny taninareo.7 Dia hanenjika ny fahavalonareo ianareo, ka ho lavon-tsabatra eo anoloanareo izy.8 Ary ny dimy aminareo hanenjika ny zato, ary ny zato aminareo hanenjika ny iray alina; any ny fahavalonareo ho lavon-tsabatra eo anoloanareo.
LEVITIKOSY 26 :3-8MITONDRA FITAHIANA NY FANARAHANA NY LALANA
1.Mifidiana ny fiainana sy ny fitahiana
Mandrakariva dia ny didy folo ihany no heverin’ny maro ho làlan’ Andriamanitra . Ny boky dimy voalohany ao amin’ny Baiboly no lazaina hoe: bokin’ny lalàna. Rehefa nivoatra ny hevitry ny teny dia niantsoana ny Soratra Masina amin ‘ny ankapobeny ny lalàna. Noho izany , ny and 3 eto dia itaoman’ Andriamanitra antsika hahay hisafidy fitahiana. Rehefa manaraka ny lalàna, dia hilatsaka amin’ny tany ny ranonorana, ho be ny vokatra, ho zina ny taona sns… (and 5). Teny entina milaza fitahiana izany ao amin’ny Baiboly. Mitahy antsika ny Tompo rehefa mankato isika. Tsy fitahiana ho an’ny olona iray izany, fa tena fitahiana ho an’ny firenena.
- Ho mpankato fa tsy ho mpihaino fotsiny
Voalaza eto koa ny fiadanana : « ary homeko fiadanana eo amin’ny tany ianareo » (and 6). Ny fiadanana dia teny tokana enti-milaza fandriampahalemana, fiainana, fahasalamana, fahafahampo amin’ny soa sy ny tsara. Omena hisitrahan’ny mponina eo amin’ny tany izany rehefa mihaino sy mankato ny olona. Tsy fiadanana hiainantsika any amin’ny fiainan-ko avy no ampanantenaina antsika rehefa mankato , fa eto amin’ny tanintsika dieny ankehitriny . Koa ankatoavy sy araho eo amin’ny fiainantsika ny teny. Tsy ampy velively ny fandrenesana fotsiny, fa hoy ny Soratra masina : « Aoka ho mpankato ny teny ianareo fa tsy ho mpihaino fotsiny ihany ». Ankatoavy ny teny raha tiantsika hiadana isika eto amin’ny firenentsika.
Fanontaniana:
Moa hainao hazavaina amin’ny lafin-kevitra iray ve ny hoe: tena mitondra fiainana ny Tenin’ Andriamanitra ?
Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen