1 Ho an’ ny mpiventy hira. Nataon’ i Davida, mpanompon’ i Jehovah, izay nilaza tamin’ i Jehovah ny tenin’ ity fihirana ity tamin’ ny andro namonjen’ i Jehovah azy tamin’ ny tanan’ ny fahavalony rehetra, indrindra fa tamin’ ny tanan’ i Saoly; dia hoy izy: mamiko indrindra Ianao, Jehovah Heriko ô.2 Jehovah no harambatoko sy batery fiarovana ho ahy ary Mpamonjy ahy; Andriamanitro, vatolampy ialofako, sy ampingako ary tandroka famonjena ahy sy fiarovana avo ho ahy.3 Miantso an’ i Jehovah izay mendrika hoderaina aho, ka dia vonjena ho afaka amin’ ny fahavaloko.4 Nihodidina tamiko ny famatoram-pahafatesana, ary ny riaky ny faharatsiana nampahatahotra ahy.5 Ny famatoran’ ny fiainan-tsi-hita nihodidina tamiko; nisakana ahy ny fandriky ny fahafatesana.6 Fony azom-pahoriana aho, dia niantso an’ i Jehovah, eny, Andriamanitro no nitarainako; nihaino ny feoko tao an-tempoliny Izy, ary ny fitarainako teo anatrehany dia efa tonga teo an-tsofiny.
SALAMO 18 :1-6MIDERA AN’ ANDRIAMANITRA MPAMONJY
1-Tiavo amin’ny fonao rehetra Andriamanitra
Manambara ny fitiavany feno an’ Andriamanitra i Davida Mpanjaka. Jehovah no heriny ka nahatonga azy handresy ny fanenjehana sy ny herisetra nataon’i Saoly azy (2 Sam 22 :1-51). Ny fandresena ny fahavalo sy ny mpankahala dia ny fiderana an’ Andriamanitra sy ny fanomezam-boninahitra Azy. Tsy ny otri-po na ny valifaty na ny herisetra no handresena ny fahavalo fa ny fitiavana .
2-Matokia an’ Andriamanitra
Tanisain’i Davida eto ny finoany an’ Andriamanitra izy sady mpiaro azy amin’ny mpankahala sy ny fahavalony no fiadiana mampandresy azy. Manambara izany fa tsy i Davida nomiady amin’ny fahavalony fa ny Tompo. Finoana lehibe izany. Amin’ny herisetra rehetra mihatra amintsika dia matokia ny Mpamonjy, ary aza miankina amin’ny herintsika. Matokia Azy amin’ny fonao rehetra dia handresy hatrany.
3-Miantsoa an’ Andriamanitra
Andriamanitra velona ny Tompontsika. Miantsoa Azy na ho fiderana na ho fitarainana (and 3-6). Mihaino ny vavaka araka ny sitrapony Izy ka manilika ny fahavalo sy mametraka harato tsy hidinantsika mpino amin’ny fahafatesana sy ny fiainan-tsy hita (and 5). Akaiky antsika Izy ary manara-maso ny fiainan’ny mpanompony izay efa nofidiny. Mihaino sy mijery any an-danitra Izy. Ny lanitra no tempoly ambaran’ny mpanao Salamo eto. Mifandraisa tsy tapaka amin’ny Tompo amin’ny fivavahana sy ny fisaorana (1 Tes 5 :17).
Fanontaniana:
Ahoana no endrika hanehoantsika ny fitiavana an’ Andriamanitra amin’ny fontsika manontolo ?
Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !