24 Satroboninahitry ny hendry ny hareny; Fa ny fahadalan’ny adala dia fahadalana ihany. 25 Ny vavolombelona marina mamonjy ain’olona; Fa izay mamoaka lainga dia tena fitaka. 26 Ny fahatahorana an’i Jehovah dia fiarovana mahatoky. Ary ny zanany hahazo fialofana. 27 Ny fahatahorana an’i Jehovah no loharanon’aina, Hanalavirana ny fandriky ny fahafatesana.
OHABOLANA 14 : 24-27« NY VAVOLOMBELONA MARINA MAMONJY AIN’OLONA »(AND25)
1-Mamonjy ain’olona
Ny vavolombelona dia afaka hiaro satria nahita sy nanatrika ary afaka hitantara ny zava-nisy marina ka tsy manampy na manala izay tena nitranga marina .Manampy ny olona amin’ny fanambarana ny marina amin’izany ny vavolombelona. Eto ambaran’ny ohabolana fa mamonjy ain’olona ny vavolombelona marina, satria manavotra ilay olona amin’ny fiampangana.
2-Mandrava ny herim-pahafatesana
Fahafatesana no tanjon’ny fiampangana ary raha tsy manana porofo ny amin’izay zava-marina ny voampanga dia hiharan’ny famonoana. Andraikitry ny vavolombelona ny mandrav izany didim-pitsarana izany ka hahavelona ilay voampanga. Moa tsy toy izany va isika noho ny fahotantsika? Olo-meloka ka tokony ho faty. « Fa fahafatesana no tambin’ny ota » hoy ny voasoratra (Rom 6.23). Kanefa misy ilay vavolombelona izay manamarina antsika maimaimpoana, dia I Jesoa. Hoy ny voasoratra : « nefa hamarinina mamaimpoana amin’ny fahasoavany izy noho ny fanavotana izay ao amin’I Kristy Jesoa » (Rom 3 :24/ Rom 5 :9)
Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.