MOFON’AINA ZOMA 13 NOVAMBRA 2020

1Tao amin’ ny lalina no niantsoako Anao, Jehovah ô,2 Tompo ô, henoy ny feoko; Aoka ny sofinao hihaino tsara ny feon’ ny fifonako.3 Raha mandinika heloka Ianao, Jehovah ô, iza no hahajanona, Tompo ô? 4 Fa eo Aminao no misy ny famelan-keloka, mba hatahorana Anao.5 Niandry an’ i Jehovah aho; eny, niandry Azy ny fanahiko, Ary ny teniny no nanantenako.6 Ny fanahiko miandry ny Tompo mihoatra noho ny fiandrin’ ny mpiambina ny maraina, Dia ny fiandrin’ ny mpiambina ny maraina.7 Manantenà an’ i Jehovah, ry Isiraely; fa eo amin’ i Jehovah no misy famindrampo sy fanavotana be;8 Ary Izy no hanavotra ny Isiraely Ho afaka amin’ ny helony rehetra.
SALAMO 130 :1-8

ANDRIAMANITRA MPAMONJY

1-Mendrika hatahorana noho ny famindrampony (and1-4)

Ampianarin’ny mpanao salamo eto fa rehefa ao anaty fahoriana isika no tena tokony hahatsapa lalina sy hiaina tanteraka ny famindrampon’ Andriamanitra. Izy ilay tsy mba manilika na rikoriko amin’ny fahorian’ny ory (Sal 22.24). Rehefa antsoina Izy dia mandre (and 1-2). Ny famindrampony no ataony lehibe indrindra noho ny fandinihana ny heloka sy ny fahadisoana vitantsika, ka tsy hitsarana antsika (and 3). Noho io famindrampony io dia manjary ataony laharam-pahamehana ny fanolorany famelan-keloka ho antsika. Izany no mitarika antsika hatahotra sy hanaja ary hanome voninahitra an’Andriamanitra mandrakariva eo amin’ny fiainantsika (and 4)

2-Mendrika itokiana noho ny fitiavany (and 5-8)

Ny voambolana hoe : «  miandry  » na « manantena » no misongadina eto amin’ity perikopa ity dia hanehoan’ny mpanao salamo ny fitiavan’ Andriamanitra mahatoky , ilay loharanon’ ny fanantenana ho amin’ny famonjena . Io fitiavan’ Andriamanitra io no manefy ny olona hanana fatokiana sy fanantenana fa mamonjy amin’ny fotoan-tsarotra rehetra Andriamanitra. Tsy voafetran’izay zavatra ataon’ny olona ny fitiavan’ Andriamanitra fa na dia mivadika aza ny olona ,mbola mahatoky hatrany Izy . Hoy i Paoly hoe : « fa na dia matoky aza isika, dia mbola mahatoky ihany Izy, fa tsy mahazo mandà ny tenany » (2 Tim 2.13). Raha mba sitrakao koa ny hoe : hametrahan’ny hafa fitokisana dia tokony hanana io fitiavana mahatoky io aloha ianao. Amin’izay, dia sady olon’ny fitiavana isika no olon’ny famindrampo.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra