ALAROBIA 9 NOVAMBRA 2022

43 Nefa aoka ho fantatrareo izao: Raha fantatry ny tompon-trano ny fiambenana amin’ny alina izay hihavian’ny mpangalatra, dia ho niambina izy ka tsy namela ny tranony hotamina. 44 Koa miomana kosa ianareo; fa amin’izay ora tsy ampoizinareo no hihavian’ny Zanak’olona. 45 Iza moa no mpanompo mahatoky sy manan-tsaina, izay notendren’ny tompony hifehy ny mpanompony mba hanome azy hanina amin’ny fotoana? 46 Sambatra izany mpanompo izany, raha avy ny tompony ka hahita azy manao izany. 47 Lazaiko aminareo marina tokoa: Hotendreny ho mpanapaka ny fananany rehetra izy. 48 Fa raha manao anakampo izany mpanompo ratsy fanahy izany hoe: Maharitra ela ny tompoko, 49 ka dia mikapoka ny mpanompo namany izy ary mihinana sy misotro amin’ny mpimamo, 50 dia ho avy ny tompon’izany mpanompo izany amin’ny andro izay tsy ampoiziny sy amin’ny ora izay tsy fantany, 51 dia hotapahiny roa izy ka homeny anjara any amin’ny mpihatsaravelatsihy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.MATIO 24 : 43-51

MIOMANA HANDRAY NY TOMPO !

1- Aoka ho olo-mahatoky

Ny toetry ny olo-mahatoky eo am-piandrasana ny fiavian’i Jesoa dia ireto :

–Miambina : tsy matoritory no sady mijery hatrany ny manodidina sao misy fahavalo tonga ary manana fahavononana hiatrika izay fahavalo mety ho avy tampoka

–Miomana : olona feno fahavononana amin’ny fahatongavan’ny Tompo. Toy ny miandry fa efa akaiky dia akaiky ny fahatongavany, ka tsy varimbariana sy revorevo amin-java-tsy ahitan-tsoa !

2-Aoka tsy hanao kitoatoa

Ny toetry ny olona manao kitoatoa ihany koa no ambaran’i Jesoa eto ka hampitandremany antsika amin’izao andro izao. Ny mpanompo ratsy fanahy, hoy Izy eto :

–Mikapoka namana : Mihevitra fa mbola ho ela ny fiavian’iJesoa ka manao izay hahavoa sy handavo ny namana

–Mihinana sy misotro : Variana amin’ny fimamoana sy ny filibana amin’izao fiainana izao

3-Aoka hahatsiaro fa misy valiny ny atao

Ny mpanompo mahatoky dia hotendreny ho amin ‘ny fiainana mandrakizay. Ny mpanompo ratsy fanahy kosa dia ariany any amin’ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.