MOFON’AINA ZOMA 12 AOGOSITRA 2022

12 Ary mangataka aminareo izahay, ry rahalahy, mba hekenareo izay mikely aina eo aminareo sy mitondra anareo amin’ny Tompo ary mananatra anareo, 13 ary mba hohajainareo indrindra amin’ny fitiavana izy noho ny asany. Mihavàna tsara. 14 Ary mananatra anareo izahay, ry rahalahy; anaro izay tsy mitoetra tsara; omeo toky ny malemy saina; ampaherezo ny reraka; mandefera amin’ny olona rehetra. 15 Tandremo mba tsy hisy hamaly ratsy olona; fa miezaha mandrakariva hitady izay tsara, na amin’ny namanareo na amin’ny olona rehetra. 16 Mifalia mandrakariva. 17 Mivavaha, ka aza mitsahatra. 18 Misaora amin’ny zavatra rehetra; fa izany no sitrapon’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy ho anareo. 19 Aza mamono ny Fanahy. 20 Aza manao tsinontsinona ny faminaniana. 21 Fantaro ny zavatra rehetra; hazòny mafy izay tsara. 22 Fadio ny fanao ratsy rehetra.ITESALONIANA 5:12-22

FANANARANA HO AN’NY KRISTIANINA

1- Maneke izay mikely aina eo aminareo

Efa nitory ny filazantsara tany Tesalonika i Paoly apostoly kanefa voatery niala tany izy (cf Asa 17 :1-10). Nisy tatitra nomen’ny mpanara-dia azy momba ny Tesaloniana taty aoriana ka nanoratra itony taratasy itony izy. Koa mananatra i Paoly mba haneken’ny Tesaloniana izay mitondra azy ireo, izay mananatra anareo. Tsy mbola mpitondra fivavahana akory izany, tsy mpitandrina koa fa olona notendrena fotsiny ho mpitarika sy mpananatra noho ny fanomezam-pahasoavana manokana nananany. Ilaina ny mpitarika ho mpandrindra ny fiaraha-monina satria samy hibaikobaiko eo daholo raha tsy misy izany ka tsy hisy zavatra vanona ny vokany; raha samy hibaikobaiko daholo mantsy dia ady no hiafaràna. Mananatra i Paoly ny mba hanajana ireny am-pitiavana fa soa ho an’ny fiaraha-miaina sy fiaraha-monina ny fisian’izy ireny.

2- Fifampitondrana maha izy azy ny Kristianina

Ankoatra izay dia misy ireto toetra ireto ambaran’i Paoly ihany koa mba ho amin’ny fahatsaram-piainana sy ho antom-pisian’ny firindran’ny fiaraha-monina rahateo.

Anaro izay tsy mitoetra tsara: ireo olona kamo miasa indrindra no tena tian’i Paoly holazaina eto. Tsy tokony hisy izany
Omeo toky ny malemy saina izany hoe ireo olona saro-tahotra
Ampaherezo ny reraka na ny marina kokoa hoe ampio ireo osa amin’ny lafim-piainana amin’ny ankapobeny
Mandefera amin’ny olona rehetra izany hoe aoka hahay hahari-po mba ho tsara ny fifandraisana (cf Efe 4 :1-3)
Miezaha hitady izay tsara ka aza mifamaly ratsy.
Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.