Mofon’aina – ALAKAMISY 11 MAY 2017

26 Fa Andriamaniny no manoro azy izay mety hataony, Eny, Izy no mampianatra azy.27 Fa tsy ny kodia vy no ivelezana ny nigela, ary tsy ny kodian’ ny sariety no akodiadia amin’ ny komina; Fa ny nigela dia velezina amin’ ny fantàka, ary ny komina amin’ ny tehina.28 Moa mongomongoiny va ny vary hatao mofo? Tsia, fa tsy veleziny na hampandehanany ny kodian’ ny sarietiny sy ny soavaliny lalandava izy; Tsy mongomongoiny tsy akory izy.29 Izany koa dia avy amin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro; Fa mahagaga amin’ ny fisainana Izy Ary mahatalanjona amin’ ny fahendrena.
ISAIA 28 :26-29

MAHATOKY AMIN’NY FAHENDRENY NY TOMPO

Manomboka eo amin’ny and 23 no ilazan’ny Tompo  sary an’ohatra  amin’ny alalan’ny Mpaminany, mba ho entiny hanazavana ny fomba fitondrany  ny vahoakany. Sary an’ohatra  momba ny asa  tany  sy fambolena  no ambara :

1-Mahalala ny hevitra itaizany sy itondrany ny vahoakany ny Tompo

Hendry  ny Tompo   ka manazava  sy mampianatra  ny antom-panaovana  sy ny fomba fanao  amin’ny zavatra iray ikendrena  ny tanjona. Izany  no ventinkevitra  tiana  ambatra  amin’ireto and 26-29 ireto , saingy  nolazaina tamin’ny endrika fandavana  sy ny fanoroana  antsika ny tsy tokony  hataontsika izany .Ny hafatra  tiana hampitaina amintsika dia manao hoe:mahalala ny hevitra itaizany sy itondrany ny vahoakany amin’ny maha-zanany azy ny Tompo

2-Mahalala ny hevitra iheverana antsika Izy

Izay rehetra  miseho  sy mitranga  dia efa voahevitra avokoa amin’ny fotoanany sy araka ny fombany avy ary ikendrena  zava-mahasoa. Mahatoky  amin’ny fahendreny Izy, ka matokia Azy. Mahalala ny hevitra iheverana antsika Izy dia hevitra hahatonga fiadanana  fa tsy loza (Jer 29.11).

3-Hainy ny mampiara-miasa ny zavatra rehetra hahasoa izay tia Azy

Na  dia tsy  takantsika aza  ny anton’ny seho  sy ny tranga  eo amin’ny fiainantsika dia misy kendren’ny Tompo ao ambadik’izany. Nentiny  tamin’izany  fomba izany koa  i Jesoa zanany. Koa  na dia  niharam-pahoriana  aza Izy, dia nandresy tamim-boninahitra. Matokia Azy, satria mahatoky amin’ny fahendreny Izy, ka hainy  ny  mampiara-miasa  ny zavatra rehetra hahasoa izay tia Azy (Roma 8.28)

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !