MOFON’AINA ALAKAMISY 18 JONA 2020

8 Farany, miraisa saina ianareo rehetra, ka miaraha ory, mifankatiava tahaka ny mpirahalahy, mifamindrà fo, manetre tena, 9 tsy mamaly ratsy ny ratsy, na fanaratsiana ny fanaratsiana; fa aoka hisaotra kosa, satria ho amin’izany no niantsoana anareo mba handova fitahiana. 10 « Fa na iza na iza maniry fiainana sy ta-hahita andro soa, aoka izy hiaro ny lelany amin’ny ratsy ary ny molony tsy hiteny fitaka; 11 Ary aoka izy hiala amin’ny ratsy ka hanao soa; aoka izy hitady fihavanana sy hanaraka azy. 12 Fa ny mason’ny Tompo dia mitsinjo ny marina, ary ny sofiny mihaino ny fitarainany; fa ny tavan’ny Tompo dia tezitra amin’ny mpanao ratsy » (Sal. 34 : 12-16).
1 PETERA 3 : 8-12

NY FIFAMPITONDRANA MASINA EO AMIN’NY SAMY KRISTIANINA

Petera Apostoly dia nanoratra Epistily ho an’ireo kristianina niely noho ny fanenjehana ny fiavavahana. Nanoratra Epistily izy mba ho fampaherezana azy ireny, nanoratra Epistily koa izy mba ho toromarika mahasoa ifampitondran’ny samy kristianina any am-pielezana ho fijoroana vavolombelon’i Jesoa Kristy. Rehefa tena mahay mifampitondra tsara mantsy ireo kristianina eo amin’ny fiangonan’Andriamanitra dia mahasarika olona hanaiky ny finoana an’i Jesoa Kristy izy ireo. Ny tanjon’ny fanoratan’i Petera arak’izao dia mba tsy hanan-tsiny ny fiangonan’Andriamanitra hatramin’ny fotoana hiavian’i Jesoa indray. Toa ireto manaraka ireto izany fifampitondrana kristianina izany

  1. Mifampitondra tsara toy ny mpirahalahy (and 8,9)

« Farany, miraisa saina ianareo rehetra, ka miaraha ory, mifankatiava tahaka ny mpirahalahy, mifamindrà fo, manetre tena, 9 tsy mamaly ratsy ny ratsy, na fanaratsiana ny fanaratsiana; fa aoka hisaotra kosa, satria ho amin’izany no niantsoana anareo mba handova fitahiana »

Ilay teny hoe mpirahalahy ampiasain’i Petera eto dia tsy manondro ny mpirahalahy mpiray tampo velively akory. Izay ampifandraisin’ny rà iombonana avy tamin’ny ray aman-dreny. Fa ho enti-manondro ny mpiray tampoha noho ny finoana an’i Jesoa Kristy. Ilay finoana an’i Jesoa Kristy no naha-mpiray tampo. Tsara lavitra kokoa noho ny fiombonana avy amin’ny rà ny fiombonana noho ny finoana. Koa satria ilay finoana no mampiombona dia mifampitondra toa izay nifampitondran’i Jesoa tamin’ireo Apostoliny. Izany fifampitondrana izany dia azo fehezina amin’ny hoe: « na amin’ny mora na amin’ny sarotra dia miezaka mifankatia tsara mandrakariva ». Sady ambaran’i Petera eto amin’izao mofonaina izao fa samy nantsoina handova ny fanjakan’Andriamanitra avokoa ny kristianina rehetra. Koa raha samy handeha ho any amin’ny fiainana mandrakizay ihany. Dieny ety amin’izao tontolo izao dia miezaka mifandray sy mifampitondra tsara.

  1. Mifampitondra toa ny mpirahalahy mba hahazo fitahiana (and 10-12)

« Fa na iza na iza maniry fiainana sy ta-hahita andro soa, aoka izy hiaro ny lelany amin’ny ratsy ary ny molony tsy hiteny fitaka; 11 Ary aoka izy hiala amin’ny ratsy ka hanao soa; aoka izy hitady fihavanana sy hanaraka azy. 12 Fa ny mason’ny Tompo dia mitsinjo ny marina, ary ny sofiny mihaino ny fitarainany; fa ny tavan’ny Tompo dia tezitra amin’ny mpanao ratsy »

Ambaran’i Petera eo amin’ny and 11 fa tadiavina ny fihavanana. Misy ezaka takiana amin’ny kristianina izany hahatsara ny fihavanany. Fa rehefa tsara fihavanana ny mino dia hahazo fitahiana avy amin’Andriamanitra izy. Tsy misy fitahiana azon’izay mikorontana sy miady arak’izao. Zavatra roa mazava be no azon’izay tena mihavana eto, izay endrika hita mason’ny fitahian’Andriamanitra: Mahazo fiainana sy mahita andro soa – Hitan’Andriamanitra sy henoiny ny fitarainany

Ny ezaka rehetra ataon’ny olona mba hampirindra sy hampilamina ny fifandraisany, mba hahatsara ny fifampitondrany ety amin’izao tontolo izao, indrindra ho an’ny fiangonana kristianina dia handraisana ny fitahian’Andriamanitra mandrakariva. Izay mahay mifampitondra tsara, izay miezaka miala amin’izay mahatonga disadisa sy ady dia tena hahazo sitraka manokana avy amin’ny Tompo. Tsaroana eto ilay teny malaza nambaran’i Davida hoe: « Endrey tsara sady mahafinaritra raha ny mpirahalahy no miara-monina… fa voadidin’i Jehovah eo ny fitahiana, dia fiainana ho mandraizay »( Sal 133 :1)

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.