MOFON’AINA ASABOTSY 20 JONA 2020

1 Aza manangan-tsaho foana. Aza mi­fandray tànana amin’ny ratsy fanahy ho vavolombelona mampidi-doza. 2 Aza manaraka ny maro hanao ratsy; ary aza mamaly ny amin’ny adin’olona hivily hanaraka ny maro hamadika ny rariny. 3 Aza mandravaka ny tenin’ny malahelo eo amin’ny fandaharan-teniny ianao. 4 Raha hitanao mania ny ombin’ny faha­valonao, na ny borikiny, dia avereno any aminy mihitsy izany. 5 Raha hitanao ny borikin’izay mankahala anao mihonaka ao ambanin’ny entany, dia aza malaina hamonjy azy ianao, fa manampia ny namanao hamaha azy tokoa. 6 Aza mamily ny rariny izay ananan’ny malahelo ao aminao, raha manana ady izy. 7 Manalavira izay teny lainga, ary aza ma­mono izay tsy manan-tsiny sy izay marina ianao; fa tsy hanamarina ny meloka Aho. 8 Ary aza mandray kolikoly, fa ny kolikoly mahajamba ny mason’ny mahiratra sy mama­dika ny tenin’ny marina. 9 Ary aza mampahory vahiny, fa ianareo mahalala ny fon’ny vahiny, satria efa mba vahiny tany amin’ny tany Egypta ihany ianareo. 10 Ary enin-taona no hamafazanao amin’ny taninao sy hanangonanao ny vokatra; 11 fa amin’ny taona fahafito kosa dia hatsa­hatrao tsy hovolena izy, mba hisy hohanin’ny malahelo amin’ny firenenao; ary izay sisan’ireo dia mba hohanin’ny biby any an-tsaha kosa. Toy izany koa no hataonao amin’ny tanimboalobokao sy amin’ny taninolivanao.
EKSODOSY 23 : 1-11

NY FOMBA FITANDROANA FIHAVANANA

Ny bokin’ny Eksodosy dia boky mirakitra ny didin’Andriamanitra izay nomena ny Zanak’Isiraely. Ny toko faha-20 hatramin’ny faha-23 no mirakitra izany. rehefa tena mamaky ny didy sy toromarika isika dia efa mba misy fanazavana ihany eo amin’ny didy izay nomen’Andriamanitra ny Zanak’Isiraely. Ny tanjon’izany dia ny hahatonga ny Zanak’Isiraely tsy ho sahirana amin’ny fampiharana izany. Nomen’Andriamanitra koa ny mba hahatsara mandrakariva ny fihavanana any amin’ny tany Kanana izay nomen’Andriamanitra ho lova. Arak’izany tandrovy ny fihavanana ka

  1. Miara-mirona amin’izay manana ny marina (and 2)

DIEM « aza manaiky hotarihin’ny maro hanao ratsy, aza mijoro ho vavolombelona noho ny hena-maso ny maro mitady hamadika ny rariny eo amin’ny fitsarana »

Tsy tokony hohadinoina fa ny besinimaro dia hery iray mitaona ny olona hanao izay tiany, hery iray izay mahasarika ny olona hiara-hirona aminy. Eto dia mampianatra ny Soratra Masina fa tsy izay ironan’ny besinimaro dia tsy maintsy hironan’ny mino. Indrindra indrindra raha mirona ho amin’izay tsy izy izy ireo. Aoka ny mino hiara-dalana mandrakariva amin’izay misy ny marina, aoka ho mpiara-mirona amin’izay marina. Tena fahita indrindra amin’ny fotoana ankehitriny fa vitsy an’isa mandrakariva ny mihazona ny fahamarinana, midanadana rahateo hoy Jesoa ny lalana mankany amin’ny fahaverezana, mila mitandrina hatrany isika mba tsy ho zakan’ny rivotry ny besinimaro noho ny herin’ny fiarahamonina.

  1. Hanehoy fitiavana na ny fahavalo aza (and 4,5)

DIEM « raha mifanena aminao fa diso lalana ny ombin’ny fahavalonao na ny borikiny, dia avereno any aminy »

Izao tenin’Andriamanitra izao dia mitaona antsika hisahirana na dia ho an’ny fahavalo aza. Ilay omby na boriky diso lalana dia mety hahatonga faty antoka ho an’ny fahavalo. Noho ny fitiavana azy dia manaiky misahirana mba tsy ho tratran’izany izy. Fomba tsotra hanehoana ny fitiavana ny olona rehetra izao. Fomba hanehoana fa na dia mandray anao ho fahavalo aza izy, ianao kosa tsy mba toa izany. Aseho eto ny fanatanterahana ny baikon’i Jesoa hoe tiava ny fahavalanareo.

  1. Manaova ny marina mandrakariva (and 7,8)

DIEM « aza mihaino ny lainga tsara lahatra. Aza manameloka ho faty ny tsy manan-tsiny sy ny olo-marina »

Zavatra fahita sy fandre eto amin’izao tontolo izao ny tsy rariny misy. Be dia be ny olo-meloka no tonga manana ny marina, ary ny olo-marina tonga meloka. Amin’ny maha-kristianina antsika dia tsy asaina mandray anjara amin’izay raharaha famadihana ny marina isika, tsy avelan’ny Tompo hiray petsapetsa amin’izay endriky ny famadihana ny marina isika. Ampianarin’ny didin’Andriamanitra ho mpiaro mandrakariva ny marina isika, ho sarotiny tokoa amin’izany.

  1. Tsinjovy hatrany ny madinika (and 10,11)

DIEM « mandritra ny enin-taona misesy no ahazoanareo mamafy ny taninareo sy mijinja ny vokatra avy aminy. Fa amin’ny taona fahafito dia tsy maintsy avelanareo hitsahatra tanteraka ny tany. Ny mahantra iray firenena aminareo no hahita hohanina »

Ny didy dia tena mahakasika ny lafim-piainana ara-piarahamonina rehetra mihitsy rehefa tena dinihina tsara. Ity famelana ny tany tsy hambolena ity dia endrika iray ho enti-mitsinjo ny madinika sy ny mahantra miara-monina amin’ny tena. Ampianarin’ny Tompo hahay hitsinjo azy ireny ny kristianina. Misy mandrakariva ny mahantra eo amin’ny fiaraha-monina fa ampianarin’ny Tompo ny mino hahatsara fihavanana mba hijery sy hiahy azy ireny koa. Anisan’ny asa fototra nataon’i Jesoa teto amin’izao tontolo izao ity fitsinjovana ny madinika ity, ary asa fototra tena mbola miandry ny fiangonana sy ny kristianina ihany koa.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.