MOFON’AINA ALAKAMISY 23 JONA 2022

13Ary hoy Jehovah tamin’i Mosesy: Mifohaza maraina koa ianao dia mitsangana eo anatrehan’i Farao, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’i Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo: Alefaso ny oloko hanompo Ahy 14Fa ankehitriny izao dia halefako ny areti-mandringana rehetra avy atỳ amiko hamely ny fonao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao, mba hahafantaranao fa tsy misy tahaka Ahy amin’ny tany rehetra. 15Fa ankehitriny, raha izay Aho no naninjitra ny tanako hamely anao sy ny vahoakanao amin’ny areti-mandringana, dia efa fongotra tamin’ny tany ianao. 16Kanefa izao indrindra no nampaharetako anao, dia ny hampahita anao ny heriko mba hambara any amin’ny tany rehetra ny anarako. 17Mbola mirehareha amin’ny oloko ihany va ianao ka tsy handefa azy? 18Indro, rahampitso toy izao dia hampilatsaka havandra be dia be Aho, izay tsy mbola nisy toy izany teto Egypta hatramin’ny andro nisiany mponina ka mandraka ankehitriny. 19Koa ankehitriny, maniraha mba hanangona faingana ny bibinao sy izay rehetra anananao any an-tsaha; fa ny olona rehetra sy ny biby fiompy izay ho hita any an-tsaha ka tsy ho enti-mody dia hilatsahan’ny havandra ka ho faty avokoa. 20Ary izay natahotra ny tenin’i Jehovah teo amin’ny mpanompon’i Farao dia nampody ny mpanompony sy ny bibiny ho any an-trano; 21fa izay tsy nandatsaka am-po ny tenin’i Jehovah kosa dia namela ny mpanompony sy ny bibiny tany an-tsaha ihany.EKSODOSY 9:13-21

1- Miovà fo mba tsy hahita loza

Manomboka eo amin’ny and. 13 hatramin’ny and. 19 no milaza ny hafatr’Andriamanitra ho an’i Farao izay mangeja ny olony. Ao anatin izany hafatra izany no ahitana fa izay mafy fo sy miziriziry tsy mety hanaraka ny sitrapon’Andriamanitra dia hahita loza. Tsy naringany ireo fa navelany hahita ireo loza nifandimby mba hahafantarany fa mahery Andriamanitra. Fa misy ny olona mitsangan-ko fahavalon’ny olon’Andriamanitra efa voan’izao loza maro samihafa izao nefa tsy mety mibebaka sy miova fo. Tsarovy ny tenin’i Jesoa (vakio Mat 5 :8)

2 Araho ny Tenin’ny Tompo dia ho voavonjy ianao

Tsy niala tamin’ny Teniny ny Tompo fa nandefa ny loza ho an’ny tany noho ny hamafin’ny fon’i Farao. Kanefa tsy ny olona rehetra no niantefan’ny loza, satria nisy ireo izay nahatsiano fa marina ny Tenin’ny Tompo. Araka ny voalaza eo amin’ny and.20 dia nisy ireo mpanompon’i Farao izay natahotra ny Tenin Andriamanitra ka nanaraka izany. Avotra ireo noho ny fanarahany ny hafatr’i Mosesy. Miavaka ny fiainan’izay matahotra ny Teny ka mitandrina izany. « Esory ho afaka aminareo ny fahadisoanareo rehetra izay nataonareo, ka manaova fo vaovao sy fanahy vaovao ho anarea; fa nahoana no ho faty ianareo taranak’Isiraely? » (Eze18:31)

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.