MOFON’AINA ALAROBIA 22 SEPTAMBRA 2021

34 Ary ilay tandapa namaly an’ i Filipo ka nanao hoe: Masìna ianao, iza moa no lazain’ ny mpaminany amin’ izany? Ny tenany va, sa olon-kafa?35 Ary Filipo niloa-bava, dia nanomboka teo amin’ izany Soratra Masina izany nitory an’ i Jesoa taminy.36 Ary raha nandeha teny an-dalana izy, dia tonga teo amin’ izay nisy rano; ary hoy ilay tandapa: Indro rano, ka inona moa no misakana ahy tsy hatao batisa?38 Dia nasainy najanona ny kalesy; ary izy roa lahy, dia Filipo sy ilay tandapa, nidina ho eo amin’ ny rano; dia nataony batisa izy.39 Ary rehefa niakatra avy teo amin’ ny rano izy roa lahy, dia nentin’ ny Fanahin’ ny Tompo Filipo ka tsy hitan’ ilay tandapa intsony; fa nandeha tamin’ ny nalehany izy sady nifaly.40 Fa Filipo hita tany Azota, dia nitory ny Filazantsara tany amin’ ny tanàna rehetra izay nalehany ambara-pahatongany tany Kaisaria.
ASAN’NY APOSTOLY 8.34-40

NY OLONA MANATONA AN’ANDRIAMANITRA

1-Mangetaheta ny teniny

Lehilahy ionoka Etiopiana no niresahan’iFilipo teto , tonga nivavaka tao Jerosalema . Rehefa nilazan’ny Fanahy i Filipo dia nihazakazaka hanatona ilay Etiopiana tao anaty kalesiny. Liana tamin’ny Tenin’Andriamanitra tokoa ka nanana hetaheta mba hahazo izany . Izay no antony nahatonga azy nanontany hoe: « Masina ianao, iza moa no lazain’ny mpaminany amin’izany ? Ny tenany va sa olon-kafa ? » (and 34). Tena nanana fahasahiana tokoa izy nanontany izany tamin’i Filipo. Endrika iray izay hamantarana tokoa fa te-hanatona an’Andriamanitra ny olona iray raha toa ka mangetaheta ny Teniny. Ny fanantonana an’Andriamanitra mantsy dia tsy mora, fa mila dingana satria ao Aminy no misy ny tena fiainana sy fahasambarana ary fitoniana.

2-Manolo-tena ho Azy

Rehefa avy nandre ity ionoka Etiopiana ity dia resy lahatra tanteraka , ka hoy izy :  « Indro rano, ka inona moa no misakana ahy tsy hatao batisa ? » Mariky ny fanolorantena ho an’Andriamanitra feno ny fandrosoana, ary ny batisa dia fanorenam-piainam-baovao ao amin’i Kristy. Zava-masina ny batisa ka izay no maha-Sakramenta azy eo amin’ny fiainana kristiana. Fanekena ny hitarihan’ny Fanahin’Andriamanitra ny batisa mba tsy hiverenana amin’ny fahalotoan’ny nofo. Manana ny Fanahy Masina ny olona izay niroso tamin’ny batisa. Ilay Mpampianatra tsara, Mpananatra sy Mpanolo-tsaina no mitari-dàlana ny mpino mba hanao ny zava-drehetra ho araka ny sitrapon’Izy Andriamanitra .

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.