Mofon’aina – Alakamisy 24 novambra 2016

6 Ary nony tany Betania Jesoa, tao an-tranon’ i Simona boka,7 dia nanatona Azy ny vehivavy anankiray nitondra tavoara alabastara feno menaka manitra saro-bidy loatra, ka naidiny tamin’ ny lohany izany, raha nipetraka nihinana Izy.8 Fa nony nahita izany ny mpianatra, dia tezitra ka nanao hoe: Inona no anton’ izao fandaniam-poana izao?9 Fa azo namidy ho lafo be iny ka homena ny malahelo.10 Ary fantatr’ i Jesoa izay nataon’ ireo, ka dia hoy Izy taminy: Nahoana ianareo no mampalahelo an-dravehivavy? fa asa soa no nataony tamiko.11 Fa ny malahelo dia eto aminareo mandrakariva, fa Izaho tsy mba ho eto aminareo mandrakariva.12 Fa izy no nampidina izany menaka manitra izany tamin’ ny tenako, dia ny hamboatra Ahy halevina no nanaovany izany.13 Lazaiko aminareo marina tokoa: Na aiza na aiza amin’ izao tontolo izao no hitoriana ity filazantsara ity, dia holazaina koa izay nataon-dravehivavy mba ho fahatsiarovana azy.
MATIO 26 :6-13

NY OLONA ANKASITRAHAN’ ANDRIAMANITRA

Ny fihetsik’ilay vahiny tsy ampoizina niditra tao amin’ny fanasan’i Simona boka an’i Jesoa no tantara hitantsika eto .

1-Mahafoy ho an’i Jesoa

Ilay tompontrano nampiantrano no tokony hanosotra menaka manitra ny vahiny . Tsy izany no niseho fa ity vehivavy ity no nahafoy menaka manitra sarobidy. Tsapan’i Jesoa izany hasarobidin’ny fitiavana sy fanajana nasehon’ity vehivavy ity izany , ka tsy noraisiny ho fandanianiam-poana ny fanosorany menaka manitra nataony , fa zava-dehibe nampianariny ny olona . Mampianatra antsika hanana fanetrentena sy fahafoizana ny tsara indrindra ho an’ny Tompo koa izany, fa izany no ankasitrahan’ Andriamanitra.

2-Mahafantatra ny iraka hotanterahiny

Nanome tsiny ilay vehivavy ny mpianatra fa manao fandaniana tsy amin’antony izy . Nolazain’izy ireo fa tokony hanasoavana ny malahelo io menaka io . Mazava anefa ny valiteny nataon’i Jesoa : afaka manasoa ny malahelo hatra y ny olona , fa izao fihetsika manokana izao dia fanehoana ny iraka tsy maintsy hizorany dia ny famonjena izao tontolo izao . Asam-pinoana no nataon-dravehivavy ka ankasitrahana sy hotsarovana mandrakizay.

Fanontaniana:

Inona no zavatra tsara indrindra efa nafoinao ho an’i Jesoa ? Inona no mety ho fikasana hataonao ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.Amen !