MOFON’AINA ALAROBIA 12 SEPTAMBRA 2018

9 Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan’ Andriamanitra? Aza mety hofitahina ianareo: fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin’ olona sy ny sodomita10 sy ny mpangalatra sy ny mpierina sy ny mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan’ Andriamanitra.11 Ary efa mba toy izany ihany ny sasany aminareo, saingy efa voasasa ianareo, efa nohamasinina ianareo, efa nohamarinina ianareo, tamin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy Tompo sy tamin’ ny Fanahin’ Andriamanitsika.
1 KORINTIANA 6 :9-11

IZAY  TE-HANDOVA  NY  FANJAKAN’ ANDRIAMANITRA

Tanjon’ny  mpino ny handova ny fanjakan’ Andriamanitra . Manan-jo handova izany isika rehefa:

1-Manaiky handao ny fanao ratsy taloha (and 9-11a)

Tanisain’i Paoly eto ireo fanao ratsy mety hanakana ny fandovantsika ny fanjakan’ Andriamanitra. Fanao ratsy  izay mihanaka tokoa ankehitriny ny  ankamaroan’izy ireo. Voalazany eto ny fangalarana sy ny fitiavan-karena izay  mifandray amin’ny fanaovana kolikoly. Ny  fialana amin’ireny fanao ratsy ireny no antoka handovana ny fanjakan’ Andriamanitra. Koa taomina isika hiala amin’ireny  mba hananantsika anjara lova avy amin’ny Ray.

2-Manaiky ny asan’i Jesoa sy ny Fanahy masina (and 11b)

Tsy efan’ny saintsika olombelona ny hiala amin’ny ratsy fa vokatry ny  fitiavan’ Andriamanitra  te-hamonjy  antsika izany. Notanterahiny  tamin’ny  alalan’i Jesoa Kristy  izany  ka ny Ra latsaka teo amin’ny hazo fijaliana no nanadiovany sy nanamasinany  ary nanamarinany antsika. Ny Fanahy masina izay nampioeriny ao anatintsika kosa no mitahiry antsika hananana izany  fanadiovana  sy  fahamasinana ary fahamarinana izany. Izay manaiky ny hohavaozin’ Andriamanitra  amin’ny alalan’i Jesoa sy ny asan’ny Fanahy masina no afaka ny handova ny fanjakany.

Fanontaniana:

Inona no mety ho hevitry ny hoe:  « fieremana »

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !