MOFON’AINA ALAROBIA 21 NOVAMBRA 2018

1 Aoka hataon’ ny olona ho mpanompon’ i Kristy sy mpitandrina ny zava-miafina izay an’ Andriamanitra izahay.2 Ary raha izany, dia fantatrareo fa ny mpitandrina dia tokony ho olona mahatoky.3 Fa raha ny amiko, dia ataoko ho zavatra kely foana, na hotsarainareo aho, na hotsarain’ olona fa ny tenako aza tsy mitsara ahy.4 Fa tsy hitako izay tsiniko, nefa tsy mahamarina ahy izany; fa ny Tompo no Mpitsara ahy:5 koa amin’ izany aza mitsara na inona na inona alohan’ ny fotoana, dia ny fihavian’ ny Tompo, Izay hampiharihary ny zavatra takona ao amin’ ny maizina ka hampiseho ny fikasan’ ny fo; dia samy hahazo izay derany avy amin’ Andriamanitra izy rehetra.
I KORINTIANA 4 : 1-5

NY MAHA APOSTOLY

« Aoka hataon ‘ny olona ho mpanompon ‘i Kristy sy mpitandrina ny zava-miafina izay an’Andriamanitra izahay » . (and 1)

Diso fihevitra ireo Kristiana tany Korinto ny amin’ireo Apostoly; fa ny sasany nanandratra loatra ny mpampianatra anankiray izay nofidiny ka nanevateva ny hafa izay tsy tiany. Nahitsin’i Paoly sy notoroany hevitra izy ireo, ka nambarany tamin’izany fa ny Apostoly dia:

1- Mpanompon’i Kristy.

Tsy sahala amin’i Kristy akory izahay, fa ambany noho izy. Toy ny olona rehetra ihany izahay: fa ny mpanompo tsy azo ampitoviana amin’ny tompony, ary tsy maintsy hekena ho ambany noho ny tompony izy. Izany no fanazavanv. Toe-tsaina toy izany no tokony hananan’ny mpitondra fívavahana, sy andraisantsika fiangonana azy mba tsy hahalatsaka azy amin’ny fanandratan-tena sy fiheverana ho ambony noho ny mpanompo namany.

2- Mpitandrina ny zava-miafina izay an’ Andriamanitra.

Na dia manaikv ny tenany ho mpanompo aza i Paoly dia tsy mba tahaka ny hoe andevo akory, na mpanompon’ olona ka hatao tsinontsinona, fa mpanompon’i Jesoa Kristy. Andraikitra sarobidy ny maha Apostoly sy ny maha mpitandrina. Izy no miahy izay rehetra ilain’ny Fiangonan’Andriamanitra mba hahatanteraka ny sitrapon’i Jesoa Kristy lohan’ny Fiangonana. Tombom-pahasoavana izany, nefa koa tsy izay tiany hatao no tanterahiny fa araka ny teny sy ny fahasoavana izay efa natolotry ny Tompo azy.

Fanontaniana:
Tonga mivavaka hatrany ve isika na dia tsy eo aza ny Mpitandrina?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra !